Asabotsy 1 Mey 2021

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. Jeremia 7:23

Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry feizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. Ohabolana 1:33

 

Fotoana tokana fanararaotra teo amin’ny fiainany

Olo-malaza telo no tsy nahay nanararaotra toejavatra nandalo teo amin’ny fiainany :

Pilato : nitsangana hotsaraina teo anatrehan’i Pilato governora romana Jesosy, Izay natolotr’ireo mpitarika ny vahoaka jiosy. Nandritra ny famotorana dia nanontany an’i Jesosy i Pilato hoe : „Inona no marina ?” Teo anoloan’i Pilato ny fahamarinana Izy tenany mihitsy (Jaona 14:6). Raha misy olona afaka manome valiny azo antoka ho an’izany fanontaniana fototra izany, dia Jesosy ! Saingy tsy niandry ny valiny i Pilato, fa lasa nivoaka. Avy eo izy dia nanolotra an’i Jesosy tamin’ireo fahavalony…

Feliksa mpanapaka dia nampaka an’i Paoly avy tao an-tranomaizina mba hotsarainy. Efa nihaino azy izy, ary nahatsapa fahafinaretana nandre azy. Nefa nony nitory „ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy” i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksa. Tsy nanontany an’i Paoly izay tokony hataony mba ho voavonjy izy, fa naleony namaly hoe : „Mandehana angaloha ; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho” (Asan’ny Apostoly 24:25).

Agripa mpanjaka, izay nandalo tao Kaisaria, dia nahare ny amin’i Paoly nigadra, ka te hihaino azy koa. Notantarain’i Paoly azy ny toejavatra nahatonga azy ho ilay „mpifatotra an’i Kristy Jesosy”, mpifatotra sambatra, nefa taloha izy fahavalo tsy azo ivalozana ho an’ny kristiana. Niharihary fa nanohina ny mpanjaka ny lahateniny, ka hoy izy taminy : „Hay ! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana !” Dia nofaranany ny fitsarana (Asan’ny Apostoly 26:28).

Tsy misy ahafahana mihevitra fa mbola nisy fotoana fanindroany fanararaotra, nandrenesan’ireo olona ambony telo lahy ireo indray ny Filazantsara. Teo amin’ny fotoana manan-danja indrindra teo amin’ny fiainany dia nihemotra izy ireo, nanoloana ny vokatra eo no ho eo ho nateraky ny safidy natolotra azy, safidy iankinan’ny mandrakizay…