Alahady 2 Mey 2021
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika, hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16
Nifantsika teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, ary ny reniny nijoro teo, miaraka amina vehivavy vitsivitsy ; tena mafy ny fahoriany. Teo koa Jaona, ilay „mpianatra izay tian’i Jesosy” (Jaona 21:20). Dia hoy Jesosy tamin’i Maria reniny : „Ravehivavy, indro ny zanakao”, ary tamin’i Jaona : „Indro ny reninao”. Dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy avy hatrany izy.
Jaona sy Maria dia natambatry ny firaiketam-pon’izy ireo amin’i Jesosy. Ary noho Izy, dia nifampikarakara izy mianaka. Jaona dia nahafantatra manokana ny fitiavan’i Jesosy, ary noho izany dia tia Azy lalina. Ny fitiavan’i Jaona ny Tompony no nahatonga azy ho afaka nanatanteraka ilay fanampiana mendri-piderana hoe nandray ity reny tra-pahoriana.
Araka izany, ny fahafatesan’i Jesosy dia miteraka rohim-pitiavana eo amin’ireo izay tia Azy. Ireo rehetra mino Azy dia mifamatotra amina aina iray, dia ny ainy. Ary tian’i Jesosy hiainan’izy ireo izany fifamatoram-pitiavana izany.
Marina fa misy kristiana somary tsy maha te ho tia, na sarotsarotra ifandraisana. Nefa ny kristiana tsirairay, na maha te ho tia na tsia, dia mifamatotra amin’i Jesosy. Nanjary „rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesana” izy (1 Korintiana 8:11). Amin’ny maha izany azy, dia manana zo izy hokarakaraiko sy hanehoako fandavantena. Tsy noho izy mitovy kolontsaina, na fanabeazana, na zava-mahaliana amiko no itiavako azy, fa satria izy tian’i Jesosy ! Rehefa mikarakara azy aho, dia maneho ny fitiavako Ilay mampifamatotra anay.
Arakaraka ny hahafantarako tsara kokoa ny fitiavan’i Jesosy ahy no hahaizako mikarakara tsara kokoa ireo izay sarobidy aminy !