Alatsinainy 3 Mey 2021
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, … na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 1 Korintiana 13:1, 2
Ny tsiro voalohan’ny vokatry ny Fanahy dia ny fitiavana.
Ny teny grika ampiasaina eto dia ny hoe „agapê”. Tsy ilay fitiavana mirehidrehitra antsoin’ny Grika hoe „éros” tsy akory, na ilay fitiavana malefadefaka sy milamina, antsoiny hoe „philia”, fitiavana ifamatoran’ny mpivady na fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany. Ny apostoly Paoly dia mampiasa ny teny hoe „agapê”, fitiavana manome fa tsy maka, fitiavana tia ny hahasoa ilay iray. Tsy miankina amin’ny fahamendrehan’ilay iray io fitiavana io vao hiseho, fa mamiratra ao amin’ny toejavatra rehetra. Avy amin’Andriamanitra no andraisana fitiavana toy izany. „Ny Fanahy Masina… no… nampidinina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5), ary vokatry ny Fanahy izany.
Angamba isika afaka mijoro ho vavolombelona fa ny fahatsiarovana tsara indrindra ananantsika dia voamariky ny fitiavana nomentsika na noraisintsika. Aoka hotsarovantsika ihany koa fa Jesosy dia mamintina ny lalàna, izay mahafeno pejy zato eo ho eo, ao amin’ny matoanteny tokana hoe : TIAVA (vakio Marka 12:29-31). Nasehony tamin’izany ny fatra lavorary sy faratampony, tamin’ny nanolorany ny ainy hamonjy ny fahavalony.
Ry kristiana namana, ny Fanahy Masina —fa tsy ny fanarahana fitsipika sy lalàna- no tokony hibaiko ny fiainantsika, ny asantsika, ary ny fihetsitsika. Noho izany ny fiainana kristiana dia tsy voafintina amina fahatakarana marina ny foto-pampianarana ara-Baiboly, ary na amin’ny fampiharana izany aza. Ny fiainana kristiana dia mitondra hafanana sy manasoa, ary iainan’ny tenantsika manontolo —saina, sitrapo, fihetseham-po- sy manosika antsika hitia „amin’ny asa sy amin’ny marina” (1 Jaona 3:18). „Ny fitiavana… miara-mifaly amin’ny fahamarinana” (1 Korintiana 13:4, 6).