Talata 4 Mey 2021

Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany. 2 Korintiana 5:19

Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika… nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10

 

Mila Mpamonjy

Tsy takatry ny saina ny firafitry ny vatan’olombelona, firafitra mampiseho fa lalin-tsaina Ilay Mpahary namorona azy. Andriamanitra no nahary ny olombelona, tia azy Izy, ary te hifandray aminy. Nefa dia natao ho faty, indray andro any, io zavaboary mahazendana indrindra io, izay fanehoana mahatalanjona ny atao hoe aina. Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izany : mihatra amin’ny olombelona ny didim-pitsarana milaza fahafatesana, nanomboka tamin’ny fotoana tsy nankatoavany Ilay Mpahary azy, ka nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, noho izany (Romana 5:12). Noho ny ota ve izany dia tsy misy afa-tsy ny fahafatesana no miandry ny olombelona ? Tsia ! Marina fa ny ota no nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra (Isaia 59:2), nefa „Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9).

Tsy maintsy maty Jesosy mba hanaisotra ny fahotantsika sy hanome antsika aina vaovao, maharitra mandrakizay. Koa nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy. Fifandraisam-pitiavana no napetrany teo amin’Andriamanitra sy ireo izay mandray amin’ny alalan’ny finoana izany famonjena lavorary izany, famonjena omena maimaimpoana. Mba takatsika ve ny hasarobidin’ny aintsika, amin’Andriamanitra ? Tsy misy fetra ny sandan’ny aintsika, ka tsy misy manana fitiavana lehibe noho ny manolotra ny ainy ho an’ireo izay tiany (Jaona 15:13). Mba hahazoana ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay, dia ampy ny mibebaka ka miaiky fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, sy ny manaiky ny sorona nataon’i Jesosy ho antsika.