Alarobia 5 Mey 2021

Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany ; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. Ohabolana 16:9

Fa mijanòna kely ianao, hilazako ny tenin’Andriamanitra. 1 Samoela 9:27

 

Nitady ahy Andriamanitra

„Tanora mpanao volo aho, ary mandeha bisikileta rehefa ho any am-piasako. Indray maraina, nandeha mafy loatra aho, ary tsy nahay niditra tsara tamina fiolahan-dalana iray, ka nianjera nikodia be. Tany amin’ny hopitaly aho dia tafaray efitra tamina mpifanolo-bodirindrina iray, izay kristiana, nanjary nalemy noho ny loza nahazo azy. Niteny tamiko izy hoe : „Fernand a, ny tsy ampy aminao dia Mpamonjy manokana ho anao. Tokony hino ny Tompo Jesosy ianao !”

Avy hatrany dia nanelingelina ahy ny teniny, ary nahasosotra ahy mihitsy aza. Natoky fatratra ny tenako sy ny lanjako mantsy aho !

Nefa Andriamanitra nitsinjo ahy. Nahatsiaro ho voasarika aho hanokatra ilay Baiboly natao fanomezana ho ahy tamin’ny tsingerin-taona nahaterahako. Novakiko tao ny hoe : „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:9). Ankoatra ny fahotana, dia tokony hiaiky indrindra indrindra ny maha zava-poana ny fomba fiainako aho (1 Petera 1:18). Ny fitiavan’Andriamanitra no nahery kokoa ! Nilavo lefona aho, andro vitsivitsy taorianan’izany, ka niondrika teo anatrehan’Andriamanitra, nitomany ny amin’ny tenako sy ny lasako, niaiky ny fahamelohako, niantso ny famelan-keloka avy aminy : nandalo ny fahateraham-baovao aho, nateraka indray, teo amin’ny faha-18 taonako !

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nasehon’Andriamanitra tamiko fa tiany hiala amin’ny asako aho, mba hitory ny Teniny. Tamin’ny hery nomeny ahy mba hanarahako sy hanompoako Azy, Ilay Andriamanitra Tompoko, dia niezaka aho hibanjina mandrakariva Azy irery, Ilay ohatra tokana ho ahy. Tsy mba niova mihitsy Jesosy Kristy. Ary ho mahatoky Izy, hatramin’ny farany. Tsy maintsy ampy ho ahy ny fahasoavany. Raha mbola ny sitrapony ihany koa no atao !”

Fernand