Alakamisy 6 Mey 2021
Sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Jakoba 5:11
Ny Baiboly dia mitatitra amintsika ny tantaran’i Joba, ilay mpino nanankarena sy sambatra, izay namoy ny zavatra rehetra tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy : ny fananany, ny zanany, ny fahasalamany… Novesaran’izany fahoriana maro izany i Joba, ka nilaza hoe : „Maharikoriko ahy ny aiko ; hamoaka ny fitarainako aho…” (Joba 10:1). Raha mandalo fitsapana toy izany isika, dia azo antoka fa ho kivy koa. Ary matetika dia ny hanome tsiny an’Andriamanitra no tonga voalohany ao an-tsaina, rehefa ao anatin’ny trangan-javatra toy izany. Nizaka izany rehetra izany tamin’ny fomba mendrika halain-tahaka aloha i Joba, tamin’ny voalohany (2:10), fa nony farany kosa dia niteny hoe : „Efa manjary lozabe amiko Ianao ; ny herin’ny tànanao no andrafianao ahy” (30:21). Mba tiany ho takatra hoe nahoana izy no vesarana fijaliana maro toy izay mahazo azy. Nihevitra ny tenany ho olona tsara izy, ho olona nanao tsara araka izay azony natao, satria nikatsaka izay ankasitrahin’Andriamanitra. „Enga anie ilay mpiaro ahy no hanelanelana ny tenako olombelona sy Andriamanitra !”, hoy izy (16:21 DIEM).
Ela no niandrasan’i Joba ny valintenin’Andriamanitra, ka nisedra ny faharetany izany. Nefa Andriamanitra dia nanana drafitra mba hitahiany an’i Joba, toy ny ananany izany mba hitahiany antsika tsirairay koa. Aoka isika hahazo antoka fa tiany mandrakariva ny hitahy antsika voariny : „Eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” (Fitomaniana 3:32, 33). Tsy araka izay hita etỳ ivelany, fa tena ny fon’Ilay Andriamanitra feno fitiavana an’i Joba mihitsy no namela izany zava-tsarotra izany hitranga, satria fantatr’Andriamanitra fa hitondra fandrosoana lalina ao amin’i Joba izany. Fa indrindra koa, mampiditra azy amina fifandraisana akaiky dia akaiky kokoa amin’Andriamanitra.