Zoma 7 Mey 2021
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoanany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra. Mpitoriteny 3:1
Fa tokony hanana faharetana ianareo, mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Hebreo 10:36
Mahalana ny fotoanan’Andriamanitra no mifanandrify amin’ny fotoanantsika. Maika isika matetika, fa Andriamanitra kosa tsy mba mirotoroto, na oviana na oviana. Teo amin’ny fiainan’ny Tompo Jesosy tetỳ an-tany, dia tsy mba nahitana mihitsy fotoana nampisaritaka na nahatara Azy. Tompon’ny fotoana Izy, ka lavorary ny fanompoany ny Rainy.
Hafa tanteraka ny fiainantsika, matetika feno fitebitebena, fikoropahana, na fotoana very maina ! Ny fotoanan’Andriamanitra dia tsy fotoanantsika foana, satria ny fiheviny tsy fihevitsika, ary ny lalany tsy mba lalantsika (Isaia 55:8). Koa aoka isika, rehefa mivavaka, tsy hitaky valiny alohan’ny fotoana na hanao fara teny aminy. Mitombo koa ny finoantsika rehefa ao anaty ady, fitsapana maharitra, na fijaliana. Tsy mba diso na oviana na oviana Andriamanitra, ary tsy fahatarana ny fe-potoana omeny… Ampiasainy ny fotoam-piainantsika manontolo mba hanomanany antsika ho amin’ny mandrakizay. Aoka àry isika ho resy lahatra fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia Azy (Romana 8:28). Matetika loatra mantsy isika no mieritreritra ny zavatra tsy ampy eo amin’ny fiainantsika —fihetsika tonga ho azy izany-, nefa ndao mba hanao lisitry ny zavatra rehetra noraisintsika avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ; hampitolagaga sy hahafeno fankasitrahana antsika ireo. Ny tsy fananantsika faharetana sy ny toetrantsika maimaika lava dia valian’Andriamanitra amin’ny Teniny hoe : „Ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” (Jakoba 1:3, 4).