Asabotsy 8 Mey 2021
Izy (Saoly)… nandre feo nanao taminy hoe : Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ? Ary hoy izy : Iza moa ianao, Tompoko ? Dia hoy Izy : Izaho no Jesosy Izay enjehinao. Asan’ny Apostoly 9:4, 5
Nitory teo amin’ny synagoga izy (Saoly) ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 9:20
Ho an’i Saoly dia nazava tsara ny toejavatra : sekta mampidi-doza ireo olona miresaka momba an’i Jesosy ireo. Tsy maintsy sakanana izy ireo, ka ampiasana herisetra, raha ilaina izany. Nihevitra i Saoly fa nahafehy tsara ny olana. Saingy nisy zavatra iray loha tsy nampoiziny : Jesosy dia velona. Ren’i Saoly i Stefana, ilay maritiora kristiana voalohany, nanambara fa nahita an’i Jesosy tany an-danitra, nefa tsy nanatsoaka fehin-kevitra tamin’izany izy, ary nanohy nanenjika ny kristiana.
Indray andro, teny an-dalana izy hisambotra mpino any Damaskosy mba hanagadra azy ireny, no nohajambaina hazavana namirapiratra ka lavo tamin’ny tany. Dia nisy feo niteny taminy hoe : „Izaho no Jesosy, Izay enjehinao”. Tamin’izay fotoana izay dia takany sy nekeny fa velona Jesosy ary Izy no Tompo. Niova teo no ho eo ny fiainany manontolo.
Tsy niandry ela izy, fa nitory hoe Jesosy no Ilay Mesia nambaran’ny mpaminany, Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Nanaraka izany dia nandray miandalana ny hafatra kristiana izy, ary indrindra nahatakatra fa Jesosy dia maty mba hitondra ny fahotany. Nefa ny nekeny voalohany indrindra dia ny hoe velona Jesosy (jereo Asan’ny Apostoly 25:19).
Ry namana izay mamaky izao andalan-tsoratra izao, resy lahatra ve ianao fa velona Jesosy ? Tsy miteny mivantana aminao Izy, saingy miresaka aminao amin’ny alalan’izao hafatra ara-Baiboly izao. Ny zavatra niainan’i Saoly —nanjary ny apostoly Paoly- dia voasoratra ao amin’ny Baiboly, mba hahafahanao miaina izay niainany sy mba hinoanao. Inona no nataon’i Saoly ? Nivavaka tamin’ny Tompo izy. Afaka manao izany koa ianao, dia hifanena amin’Ilay Mpamonjy ka ho tonga amin’ny finoana. Manaraka izany dia hiampy amin’ny feon’ireo vavolombelon’i Jesosy ny feonao.