Alahady 9 Mey 2021

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah ; fa efa nanao fahagagana Izy. Salamo 98:1

Mihirà… ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Salamo 149:1

 

Mihirà fihiram-baovao ho an’ny Tompo

Ny tsirairay amin’ireo salamo 150 ao amin’ny Baiboly dia nosoratana mpanoratra tonga teo amina dingana iray manokana teo amin’ny fiainany. Ireo eritreritra sy fisaintsainana ambara ao dia manampy antsika hahatakatra ny trangan-javatra lalovantsika ankehitriny. Izy ireo dia mitarika antsika ihany koa hatoky an’Andriamanitra sy hidera Azy. Nefa iza moa no tsy niahotra, nanoloana fiteny sasantsasany toy ny hoe : „Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao” (Salamo 26:8), na ny hoe : „Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao” (Salamo 16:1), satria mihevitra ny tenany ho tsy mendrika hanonona teny toy izany ?

Ny salamo na ampahana salamo sasantsasany aza dia milaza ireo eritreritr’i Jesosy Kristy, Ilay olona lavorary. Izy irery no tena afaka miteny sy miaina ireny amin’ny fahatanterahana, nefa afaka mamaky ireny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona tsirairay, toy ny mivavaka. Manoloana ireny fahatanterahana ireny, manoloana ireny fiteny mihoatra ny fiainam-pinoantsika ireny, dia ndao hiato mba hihaino an’i Jesosy, Ilay Tokana. Aoka isika hangina, dia tsy hifantoka amin’ny fiheverana ny tenantsika, fa hitodika amin’izay tsapan’i Jesosy tany anatiny lalina tany, indrindra fa tao amin’ny fijaliany, nefa koa tao amin’ny fiainany araka ny naha olona sy naha mpitsaoka lavorary Azy. Azo antoka fa rehefa apetraka eo am-bavany ny salamo sasantsasany, dia hanako amina fomba vaovao, hanako mafy kokoa sy marina kokoa ! Ndao hamerina hamaky ny salamo tsirairay, hamaky azy miadana, toy ny hoe izay vao mahita azy, eo ambany fahazavan’i Kristy, ary ndao hihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah ! Ndao hihira ny fiderana Azy (Salamo 149:1). Amin’izany Jesosy dia mitaona antsika rehetra hiditra ao amin’ireo eritreriny, fivavahany, ary fifonany ho antsika. Azo antoka fa natao ho antsika ihany koa ny salamo.

(araka an’i D. Bourguet)