Alatsinainy 10 Mey 2021
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, amin’ny finoanareo. Romana 15:13
Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. Nehemia 8:10
Fifaliana sy fiadanana : vokatra roa an’ny Fanahy Masina ireo, manatsara endrika ny fiainan’ny kristiana sady mitondra fanantenana. Vokatra tsy fahita firy eo amin’ity tontolo misy antsika ity, tontolo matetika loatra no iainana fangidiana sy tebiteby… Marina fa mety ho zavatra tsara na ratsy no mahatonga ny fifaliana, toy ny fihetseham-po rehetra. Raha zava-dratsy no mampisy azy, dia hoy ny apostoly Jakoba amintsika : „Aoka… hody fanjoretana ny fifalianareo” (4:9). Fa ny hita matetika ao amin’ny Baiboly, dia fifaliana mitera-bokatsoa, marika manambara fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 8:39).
Misy mpino sasantsasany mirona hihevitra fa tsy dia zava-dehibe ny fifaliana, eo amin’ny fiainana kristiana. Nefa izy io no faharoa ao amin’ny fitanisana ny vokatry ny Fanahy. Marina fa toa tsy ho hay atao ny mifaly ao anatina toejavatra sarotra eo amin’ny fiainana. Nefa ny Fanahy Masina dia Mpifona sy Mpampionona, ho an’ny kristiana tsirairay : mampipoitra ny fifaliana Izy, na dia eo amin’izay anjakan’ny alahelo aza (Asan’ny Apostoly 16:22-25), toy ny hoe tanamasoandro mitsofoka anatin’ny zavona amina andro ririnina.
Toy izany ny fijoroana kristiana maro nogadraina noho ny finoany, ho vavolombelona. Niaina fahoriana sy fijaliana izy ireny, nefa koa fifaliana lalina tao anaty, dia ny „hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” (1 Tesaloniana 1:6). Araka ny nosoratan’ny iray tamin’izy ireny, taloha kelin’ny nahafatesany tany an-tranomaizina, dia hoe : „Tao anatin’ny aretiko aho dia nitahiry mandrakariva ny fifaliana tao am-poko” (Watchman Nee).
Ry kristiana namana, aza avela hisy hangalatra ny fifaliana omen’Andriamanitra antsika, fifaliana mety hitarika ireo manodidina antsika hitodika amin’Ilay loharanon’izany, dia Jesosy Kristy mihitsy, Izay manavao izany ao anatintsika, noho ny asan’ny Fanahiny.