Talata 11 Mey 2021
Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika. 1 Jaona 4:10
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. 1 Jaona 4:16
Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19
Talohan’ny hirosoan’i Jesosy ho eo amin’ny hazofijaliana, dia nanao veloma ny mpianany Izy. Nampahatsahiviny azy ireo ny halehiben’ny fitiavany azy :
— „Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo”, hoy Izy (Jaona 15:9).
— „Ianao… efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy”, hoy Izy tamin’ny Rainy, mantsy azy ireo (Jaona 17:23).
Imbetsaka koa Izy no nanipy teny momba ny fitiavan’izy ireo Azy, ho valin’ny fitiavany :
— „Raha tia Ahy ianareo…, Raha misy tia Ahy…, Raha tia Ahy ianareo…, Satria ianareo efa tia Ahy…” (Jaona 14:15, 23, 28 ; 16:27).
— „Raha (na : Satria) tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko”. Nanaraka an’i Jesosy ny mpianatra, tia Azy izy ireo, ary fantatr’i Jesosy izany. Koa satria tia Azy izy ireo, dia tokony hiseho eo amin’ny fiainany izany fitiavana izany : „Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy” (Jaona 14:21).
— „Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy.” Eto amin’ity andinin-tSoratra Masina ity dia miresaka mivantana kokoa amin’ny mpino ny Tompo. Ny hoe mitandrina „ny teniny” dia mandeha lavidavitra kokoa noho ny hoe mitandrina „ny didiny”. Izany dia milaza, amina fomba tsy mivantana, fa mifandray akaiky dia akaiky aminy. Izany no anaporofoana fa mahafantatra akaiky ny Tompo, ka mitahiry ny fampianarany ao anatin’ny fo, mba hiaina izany.
— „Raha tia Ahy ianareo… raha misy tia Ahy” … Ny hoe tia an’i Jesosy dia toe-po tsy misehoseho. Fa izay tia Azy dia mikatsaka ny fankasitrahany, mialoha ny zavatra rehetra, fankasitrahana manan-danja lehibe aminy !
(rahampitso ny tohiny)