Alarobia 12 Mey 2021
Hoy… Izy (Jesosy) taminy… : Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ? … Ka hoy izy taminy : Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra ; fantatrao fa tia Anao aho. Jaona 21:16, 17
Fa raha misy tia an’Andriamanitra, dia izy no fantany. 1 Korintiana 8:3
Noresahin’i Jesosy ny mpianany ny fitiavan’izy ireo Azy. Hoy aloha Izy tamin’izy ireo hoe : „Raha misy tia Ahy…” sy hoe „Raha tia Ahy ianareo…” (jereo ny takelaka omaly). Avy eo Izy dia niteny hoe :
— „Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ny Ray Aho.” Nalahelo ny mpianatra satria handeha Jesosy, ka tsy hain’izy ireo ny nanadino ny tenany mba hieritreretana ny fifalian’i Jesosy „mankany amin’ny Ray”. Io fanomezan-tsiny am-pahalemem-panahy io dia ahatsapantsika fa tsy lavorary ny fitiavantsika Azy, sady tsy mivelatra ho an’ny hafa ny fontsika.
— „Ny Ray dia tia anareo, satria ianareo efa tia Ahy.” Tsy ilay fanomezan-tsiny nefa no faratenin’i Jesosy, rehefa handao azy ireo. Fantany fa tena tia Azy marina tokoa ny mpianany, na dia malemy aza. Ary tian’ny Ray izy ireo, satria efa tia an’i Jesosy, fa tsy mba toy ny olona maro nolazain’i Jesosy hoe : „Efa hitany sady efa hàlany Aho sy ny Raiko koa” (Jaona 15:24).
— „Simona, … moa tia Ahy va ianao ?” Voadona ny fon’i Simona Petera nametrahana intelo izany fanontaniana izany. Izy, izay nandà an’i Jesosy intelo, no nitenenany manokana. Nanenina i Petera noho ny fitondrantenany, nefa niantoraka tamin’i Jesosy, Izay mahafantatra ny fitiavan’i Petera Azy : „Fantatrao fa tia Anao aho”. Ary tsy nandà izany Jesosy, fa vao mainka aza nanankina taminy ny fikarakarana ny ondrikeliny sy ny ondriny.
Marina fa tsy hitovy lenta na oviana na oviana amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy ny fitiavantsika Azy, fitiavana tsy lavorary, ary indraindray mangozohozo. Nefa hitan’i Jesosy izany fitiavana izany ao anatin’ny fon’ny olony, Izy no nampisy izany, ho valin’ny fitiavany lavorary. Tsy ataony tsinontsinona izany, fa ankasitrahiny sy ezahiny hitombo isanandro (Filipiana 1:9).