Alakamisy 13 Mey 2021
Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, … Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra. Asan’ny Apostoly 17:24, 25
Izay rehetra mandà ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no tsy manana ny Ray koa ; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa. 1 Jaona 2:23
Ny ankamaroan’ireo mpiara-belona amintsika dia leon’ny fisaratsarahana ara-pivavahana. Nitsangana ho mpifahavalo ny antokom-pivavahana samihafa, ka matetika izany dia nitarika fifandonana, ary ady mihitsy aza, nantsoina hoe ady masina. Ra moa izany nandriaka izany, tamin’ny anaran’Andriamanitra ! Koa tsikaritra mitombo hatrany ny ezaka hifanatonana, indrindra eo amin’ireo fivavahana mino Andriamanitra tokana. Tsara ny fikasana ; ahoana tokoa moa no tsy haniry fandriampahalemana bebe kokoa eo amin’ny samy olombelona ?
Mipetraka anefa ny fanontaniana fototra hoe : Andriamanitra toy ny ahoana moa no tadiavintsika, ho afaka hampiray ny olona ? Fahadalana ihany, raha haminavina Azy araka ny saintsika. Tsy hanaiky hatonina toy izany Ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Mitoetra ho Ilay tsy miova Izy, mandrakizay. Tsy afaka hahalala Azy isika, raha tsy mandray ny fanambarany ny tenany. Nataony izany fanehoana ny tenany izany :
— andaniny, tamin’ny alalan’ny Baiboly, ilay boky nampanoratiny olona isan-karazany, notarihin’ny Fanahiny.
— ankilany, tamin’ny alalan’ny Zanany mihitsy, Izay naka ny toetra maha isika antsika, mba hampahafantatra Azy amintsika.
Aoka hazava : raha Andriamanitra tsy misy an’i Jesosy, dia tsy Ilay Andriamanitry ny kristiana na oviana na oviana. Mino ny sorona nataon’i Jesosy izy ireo, ka manana antoka fa voavela heloka sy manana ny fiainana mandrakizay, ary amin’ny alalany dia mandray an’Andriamanitra ho Rainy. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). „Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).