Zoma 14 Mey 2021

Ilay zandriny… lasa nankany an-tany lavitra… dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany. Lioka 15:13

Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy : … Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko. Lioka 15:17, 18

 

Tao amina trano fisotroana iray (1)

Araka ny fanao anglisy, dia nisy kristiana vitsivitsy niditra tao amina trano fisotroana iray, ka nizara trakta sy nihira fihirana. Tezitra mafy i Horace sy namany roa lahy, ka namoriporitra ireo trakta ary nanipy izany. Rehefa nivoaka izy ireo, dia hoy i Horace :

— Ô ry zalahy a ! ndao mody hanao ho mpivavaka ! Hanao toriteny tsara be momba ilay zanaka adala aho. Ary ianareo hihira. Nanapa-kevitra ireto mpisakaiza telo lahy, hanatanteraka ny fikasany ao amina trano fisotroana tsy ahafantarana azy. Mila Baiboly, ka dia iny i Horace nindrana tamin’ilay mpiara-monina aminy, izay faly erỳ nahita azy liana tampoka tamin’io boky io, ka nilaza taminy hitazona izany ho azy.

Tsy mora ny nitady ilay fanoharana momba ny zanaka adala. Nasesin’i Horace nojerena ny filazantsara iray. Namoha fahatsiarovana ho azy ny tantara sasany ; ny hafa kosa, vaovao tanteraka taminy. Tampoka teo dia nanontany tena izy hoe : ary raha iny moa ka misy mametraka fanontaniana amiko momba ny Filazantsara, aorianan’ny toriteniko ?

Ny hariva efa nifanarahana, dia nihaona ireto mpinamana ary niditra. Toy ny mahazatra ihany ny manodidina niainana tao : fofon-toaka, hehy, horakoraka… Raha vao tafiditra izy ireo dia nihira hoe : „Raha mba fantatrao moa ny Mpamonjiko…” Taitra vetivety ny rehetra, ary avy eo dia nitoraka azy ireo tamina zavatra isan-karazany. Nisy roa lahy nanatona, namonkina totohondry, saingy nitsangana ny lehilahy goavana iray ka nanosika azy roa lahy efa romodromotra.

— Avelao izy hihira !

Tsy nisy sahy nanohitra azy. Namitsaka ny rehetra, nahita ny tanany toy ny ana mpanao totohondry sy ny endriny mandrahona. Dia nitoriteny i Horace. Nihaino azy tsara ilay lehilahy. Ny sasany kosa nanohy nilalao karatra. Taorianan’ny toriteny dia nivoaka ireo mpisakaiza telo lahy.

(rahampitso ny tohiny)