Asabotsy 15 Mey 2021

Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony ; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho. Lioka 15:18, 19

Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Lioka 15:24

 

Tao amina trano fisotroana iray (2)

Rehefa nivoaka ilay trano fisotroana izy telo lahy, dia nidera an’i Horace ireto namany. Iny hisaraka samy handeha hody iny izy ireo, no nanatona ilay lehilahy matanjaka ka nanontany hoe :

— Mba afaka mihaona anao ve aho rahampitso ?

Nisalasala i Horace.

— Eny, fa momba ny inona moa ?

— Nanetsi-po ahy ny toriteninao. Tiako ny hiresaka aminao ny amin’izany. Matoky anao aho.

Sady nanasa azy ho any an-tranony i Horace no nanantena fa ho hadinony izany.

Nefa dia indro tokoa izy ny ampitso. Nampandroso azy i Horace :

— Inona no tianao holazaina amiko ?

— Tantara mampalahelo : tafalentika ao anaty trosabe izahay mivady. Tsy mitsahatra ny mifamaly izahay, ary avy eo dia tonga ny toaka, ny fahantrana… Kivy izy, ary nangataka hoe :

— Miangavy anao aho, mba mivavaha ho ahy izao !

Fahatairana toa inona moa ny an’i Horace ! Tokony hibaboka ny fitaka nataony ve izy ? Dia hamoy fo ilay lehilahy. Nakambany ny tanany ary niambakavaka izy nanonona teny vitsivitsy ara-pivavahana. Nisaotra azy ilay mpitsidika ary nanontany raha afaka miverina. Nanaiky i Horace. Saingy aiza ao amin’ny Baiboly no hahitana teny fampaherezana ? Tsy izy mihitsy aza ve no mila izany ? Niha tsy nahazo aina kokoa hatrany izy, noho izao toejavatra izao. Aiza no hahitana fanampiana ? Any amin’ilay mpiara-monina aminy angamba ?

Nandray azy tam-pifaliana io mpino io. Nanjary mpitsidika azy matetika i Horace sy ilay lehilahy, ka teny am-pamakiana ny Baiboly teny izy ireo dia nanaiky hamaly ny fitiavan’Andriamanitra, Andriamanitra Izay nitady azy. Tsy ela izy ireo dia niaiky ny lasany fadiranovana sy meloka ary nandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Azon’izy ireo ny fiadanam-po sy fahasambarana avy amin’ny fanatrehan’Andriamanitra.