Alahady 16 Mey 2021
Nofoanany (Nofoanan’i Jesosy) ny tenany… hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, … sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Filipiana 2:7-11
Ny 18 desambra 2009 dia ny nanafahana an’i James Bain no matoan-dahatsoratry ny gazety amerikana. Notanana 35 taona am-ponja io lehilahy io, voaheloka ho nanolana ankizilahy kely iray ! Vao nanaporofo ny tsy naha meloka azy ny fitiliana tamin’ny ADN. Naverina tanteraka taminy ny zony, ary nandray vola 1,75 tapitrisa dolara avy tamin’ny fanjakanan’i Floride izy (izany hoe 200 tapitrisa ariary isaky ny taona nijanonany tany am-ponja).
Izany olona voaheloka tsy ara-drariny izany dia mampahatsiahy antsika ny didim-pitsarana tsy marina sy fanamelohana ho faty Lehilahy iray antsoina hoe Jesosy, roa arivo taona lasa izay. Tsy fahadisoana ara-pitsarana akory aza io, fa fanapahan-kevitra tsy ara-drariny noraisin’ny filohan’ny fitsarana tamin’izany fotoana izany, izay nanambara fa tsy nanan-keloka Jesosy, talohan’ny nanamelohany Azy ho faty teo amin’ny hazofijaliana (Lioka 23:4) ! Jesosy dia Andriamanitra, ka ho mora foana taminy ny nandringana ireo mpitsara sy mpampijaly Azy ; saingy nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, satria ny fahafatesany dia anisan’ny drafitr’Andriamanitra mba hamonjeny ny olona.
Nefa tsy mijanona eo ny tantara, fa haverina eo anatrehan’ny olona rehetra ny zon’i Jesosy ! Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy ny zoma hariva, ary tsy nijanona tao am-pasana, fa nitsangana tamin’ny maty ny marainan’ny alahady. Nandritra ny 40 andro dia afaka nahita Azy sy niresaka taminy ny mpianany. Avy eo Izy dia niakatra any an-danitra, miandry ilay andro hampamirapiratan’Andriamanitra Rainy ny voninahiny eo imason’izao tontolo rehetra izao. Tsy hiseho fotsiny „tsy amin’ota” Jesosy (Hebreo 9:28), fa heken’ny rehetra ho Ilay „Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19:16). Ireo rehetra matoky Azy dia efa manaiky sahady izany anarana izany, ka manolotra fiderana ho Azy.