Alatsinainy 17 Mey 2021

Halaviro ny ratsy, ka manaova soa : mitadiava fihavanana, ka araho izany. Salamo 34:14

Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana. 1 Korintiana 14:33

Mihavàna ; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo. 2 Korintiana 13:11

 

Ny vokatry ny Fanahy : ny fiadanana (4)

Matetika ao amin’ny Baiboly, ny fiadanana dia resahina mifandray amin’ny fieritreretan’ny mpino na amin’ny fony. Ny fiadanan’ny fieritreretana dia mifamatotra amin’ny fahazoana antoka fa namela ny helotsika Andriamanitra. Ny fiadanam-po dia avy amin’ny fatokiana ny fitiavany sy ny fahendreny. Mahafaoka azy roa ireo ny vokatry ny Fanahy. Mameno antsika io vokatra io, ary mandresy lahatra antsika fa eo amin’ny toerana tian’Andriamanitra hisy antsika isika, izany hoe eo akaikiny. Noho izany dia matoky sy mandry feizay isika rehefa mandalo fotoana feno korontana, tahotra, ary tsy fandriampahalemana aza. Ny fiadanana dia raisina ho fanomezan’ny Fanahy sady vokatra hetsika mavitrika : „mitadiava fihavanana, ka araho izany”.

Na oviana na oviana ny fiadanana omen’ny Fanahy Masina dia tsy mampifantoka amin’ny tena fotsiny ihany, mahatonga ho mangatsiaka na tsy miraharaha. Ny Fanahin’Andriamanitra dia mampivelatra antsika hijery ny hafa, satria manafaka antsika amin’ny fironana hitodika amin’ny tena mandrakariva, ary manampy antsika hitia.

Andriamanitra dia Andriamanitra fiadanana. Miteny Izy, miasa ao anatin’ny fiadanana, mba hiverenan’ny filaminana ao amin’izay misy fisaritahana na fikorontanana. Ary afaka manampy ho amin’izany isika : „Sambatra ny mpampihavana ; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra” (Matio 5:9). Saingy tsy maintsy milamina aloha ny fanahintsika. „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7).