Talata 18 Mey 2021
Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. Ohabolana 18:8
Loharanon’aina ny vavan’ny marina. Ohabolana 10:11
„Raha vao tonga ao am-bava, dia midina any amin’ny valahana.” Vehivavy namana iray no nametaka izany fehezanteny izany tao an-dakoziany. Izany tokoa no mampiavaka ny hanim-py !
Ny Baiboly dia mampitaha amina hanim-py ny teny henointsika : raha raisina am-pahafinaretana, dia miditra lalina ao anatintsika, ary afaka hisy vokany maharitra elabe.
Indraindray isika dia mitandrina fatratra izay zavatra hanintsika, ary tsy mba mitandrina toy izany mihitsy izay teny henointsika na vakintsika. Nefa misy teny sasany, toy ny tsikera na ny fanaratsiana, mety ho masiaka na manapotika. Matoa misy teny toy izany afaka manintona na mahaliana antsika, dia satria ao anatin’ny fontsika ao, misy faritra maizina ieren’ny avonavona, hasiahana, fangidiana… Izany rehetra izany dia antsoin’Andriamanitra hoe ota.
Nefa, ry kristiana namana, ny vaovao mahafaly dia isika manana ny ain’i Kristy, mba hiaina izany sy mba hanjary afaka amin’ny ota, ary noho izany, afaka ihany koa tsy ho voasinton’ny fanaratsiana sy ny fitenenan-dratsy ! „Esory aminareo ny fo lentika (fangidiana) rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy” (Efesiana 4:31, 32).
Raha mahafantatra zavatra ratsy momba olona iray isika, dia aoka hangina.
Raha mahafantatra zavatra tsara momba olona iray isika, dia aoka hiteny.
Aoka tsy hitsikera olona, fa aleo miresaka aminy am-pahalemem-panahy sy am-pitiavana. Ary indrindra indrindra, aoka hiresaka ireo manodidina antsika amin’Andriamanitra, mba ho afaka miresaka an’Andriamanitra amin’izy ireo.