Alarobia 19 Mey 2021
Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko. Jeremia 15:16
Miroborobo fatratra ankehitriny ny siansa momba ny sakafo voalanjalanja, izany hoe ny fisafidianana sakafo sahaza ny toe-pahasalamana. Rariny raha manara-maso ny lanjan’ny vatana, misafidy ny vokatra mahasalama, mandany vola bebe kokoa mba hanomezana ny tsara indrindra ho an’ny vatana.
Nefa ny vatantsika dia fonon’ny fanahintsika, ilay maha olona anaty. Isika ve mba mitandrina tsara ireo filàn’ny fanahintsika ihany koa ? Inona no amahanantsika azy ? Isika ve mba sarotiny ny aminy, toy ny maha sarotiny antsika amin’ny vatantsika ? Ndao anio hanokana fotoana hihinanana Ilay tena mofo. „Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana”. Hoy Jesosy amintsika : „Izaho no mofon’aina” (Jaona 6:33, 35). Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia Jesosy no manjary sakafon’ny fanahintsika.
Nefa isika dia mety ho „matavy loatra ara-panahy”, mahafantatra ny rehetra momba an’i Jesosy, saingy tsy mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika, raha tsy dia „manao fanazaran-tena” firy. Marina izany : miezaka ny hanahaka an’i Jesosy ve aho ? Nanomboka tamin’ny oviana aho izao no tsy nitady hanao izay mba tiany hataoko ? Kristy dia „nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Fantatsika ara-potokevitra izany fiainana mahatalanjona niainan’i Kristy izany. Ahoana anio raha mba manaraka sy manompo Azy ?
Farany, zava-dehibe ny misakafo amina fotoana raikitra. Raha tsy mizatra mamaky Baiboly amina fotoana iray voatokana ao amin’ny andro aho, dia matetika no tsy mamaky azy. Anio, ahoana aho raha mba mametraka ho raikitra isanandro io fotoana manokana ifanaovako amin’ny Tompoko io ? Ndao hikarakara ny fanahintsika, fanahy tena sarobidy amin’Andriamanitra, hany ka navotan’i Kristy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana !