Alakamisy 20 Mey 2021
Mitsahara, fa aza mitoky amin’ny olona ; fa… hatao zinona izy ? Isaia 2:22
Fa Jesosy tsy natoky azy, satria… ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona. Jaona 2:24, 25
(Hoy ny apostoly Paoly :) Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy. 1 Korintiana 11:1
Taorianan’ny fandripahana olona tamin’ny Ady lehibe Faharoa, dia nanontaniana ity filoham-piangonana jiosy iray, raha mbola afaka hino an’Andriamanitra ihany.
— Tsy izany no fanontaniana tokony hapetraka, hoy izy namaly. Ny tena fanontaniana dia hoe : „Ahoana no mbola hahafahana mino ny olona ?”
Ny hoe mino ny olona, dia ny mihevitra azy ho mahay manatsara ny tenany, mino fa ezaka ataon’ny olombelona dia afaka hampanjaka ny fandriampahalemana eto an-tany. Efa hatramin’izay ny olona no niankina tamin’ny tenany samirery, mba hiatrehany ny olana rehetra eo aminy. Nefa na dia marani-tsaina sy manana finiavana aza izy, dia tsy afaka nahita fahafaham-po na fandriampahalemana na fahasambarana, tamin’ny alalan’ny herin’ny tenany samirey. Afaka mahita izany ny tsirairay : tia tena ny olona, ary matetika dia ny tombontsoany manokana no laharam-pamehana ; te hiaina tsy misy an’Andriamanitra, Izay nahary azy, izy… Mampalahelo izany ; anisan’ny toetra maha olombelona ny faharatsiana, ka ao anatintsika tsirairay.
Nefa raha tonga saina isika fa voan’io aretina antsoin’ny Baiboly hoe „ota” io, ary raha mahatakatra fa tsy afaka ho sitrana na oviana na oviana amin’ny ota, amin’ny herin’ny tenantsika samirery, dia aoka hanaiky handray ny fanafody omen’Andriamanitra. Tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay olona lavorary, mba hamonjy ny zavaboariny sy hanome azy famelan-keloka, fiadanana, ary fiainana mandrakizay. Ny finoana an’i Jesosy, maty teo amin’ny hazofijaliana ho ahy, no lalana tsy maintsy izorako manokana, mba hahasitrana ahy amin’ny ota, hahasitrana ahy tanteraka, sy handraisako ny fiainana mandrakizay !
Koa raha avelanao am-panetrentena io ain’i Jesosy io hamelona dieny izao ankehitriny izao ireo eritreritrao sy zavatra ataonao ary fifandraisanao amin’ny hafa, dia ho hitanao koa fa afaka manjary „mpanahaka an’i Kristy” ny olona tsirairay. Hanome hery anao ho amin’izany Izy.