Zoma 21 Mey 2021

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (na : zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12

 

Very hoe ny maha izy azy ?

Nandritra ny tantara dia nisy fitondrana ara-pôlitika sasantsasany niezaka nanala ny maha izy azy tamin’ireo mpanohitra na ireo izay tiany hailika. Tena mampihoron-koditra ny fomba natao mba hamotehana ny maha izy azy sy hamerezana ny maha olona azy ireo, araka ny filazalazan’ireo sisam-paty avy tany am-ponja na toby fampijaliana.

Nefa misy karapanondro iray tsy mety levona, dia ilay ananan’ireo rehetra antsoin’Andriamanitra hoe zanany. Ny apostoly Jaona, ao am-piandohan’ny filazantsara nosoratany, dia manambara fa izay rehetra nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny dia mahazo zo vaovao avy amin’Andriamanitra, zo ho zanany. Ary ny apostoly Paoly dia nanampy hoe : rehefa nino an’i Jesosy ianareo, dia „nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina” (Efesiana 1:13). Tsy hay potehina izany tombo-kase apetrak’Andriamanitra amin’ny olony izany ; azontsika ary tsy esorina amintsika intsony ny sata maha zanak’Andriamanitra antsika, rehefa novonjena isika satria mino an’i Jesosy Kristy. Tsy hain’iza na iza angalarina izany famantarana izany, ka na ny devoly aza, tsy mahaisotra izany amintsika. Fiarovana mahatretrika moa izany ! fiarovana manome antsika filaminan-tsaina sy fiadanam-po lehibe ! Manambara ihany koa i Paoly hoe : „Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:38, 39). Aoka àry isika ho anisan’ireo manana antoka fa tsy mety levona ny maha isika antsika, ary anisan’ny ankohonan’Andriamanitra isika, na ho an’ny fiainana etỳ an-tany na ho an’ny mandrakizay.