Asabotsy 22 Mey 2021
Izy (Jesosy) dia nahita ny teny voasoratra hoe : „Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina”. Lioka 4:17, 18
Ry Jesosy hany lalana, Jesosy Mpamonjiko,
Na aiza na aiza alehako, tsy matahotra na inona na inona aho,
satria miara-mandeha amiko Ianao.
Misaotra aho. Mikarakara ahy Ianao,
ry Jesosy, Mpiandry ahy,
Notanterahinao izay rehetra nampanantenainao,
nanomboka tamin’ny andro nanafahanao ahy.
Ry Jesosy antom-piainako,
Hatramin’ny nanomezanao ahy ny aina,
dia niova ny zavatra rehetra, hafa ny fijeriko izao tontolo izao ;
Eny, Ianao no mampazava ny alina maizina misy ahy sy ny maha irery ahy,
Manome fiadanana ahy Ianao.
Eny, miovaova ny toejava-misy,
nefa ny hahasoa ahy no anton’izany.
Ry Tompo loharanon’ny aiko,
Ny hazavanao no mitarika ahy ao anatin’ny alina.
Tsy mba irery aho,
tsy hisy hampitebiteby ahy intsony, na inona na inona.
Eny, hatao anie ny sitraponao,
Ampianaro aho hanompo amin’ny fo tena madio.
Eny, miovaova ny toejava-misy,
nefa matoky Anao aho.