Alahady 23 Mey 2021

… hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo, mba hahaizanareo… hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana… rehetra. Efesiana 3:17-19

 

Midadasika noho ny habakabaka

Ny fitiavan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra

Noho izay mety holazaina fon’olombelona momba izany.

Midadasika noho ny habakabaka izany,

Ka mahatratra antsika, na any anaty hantsana aza isika.

Noho ny fahotan’izao tontolo misy antsika izao,

Dia nomen’Andriamanitra antsika Jesosy.

Mamela heloka antsika Izy ; endre ! fiadanana lalina izany ;

Mamonjy ireo very Izy.

 

Ny fitiavan’Andriamanitra, tena mahery sy mamy aoka izany,

Dia fitiavana tsy misy fetra :

Enga anie ka izany no ho lohahevitry ny hirantsika

Etỳ an-tany sy any an-danitra.

Ry fitiavan’Andriamanitra, iza no mahay milaza

Ny hafenoanao sy ny hatsaranao ?

Mba hihiranay Anao sy hilazanay ny aminao,

Dia ny mandrakizay no hilainay.

 

Ka amin’izay fotoana izay, rehefa natao mitovy endrika

Amin’Ilay Tompo feno voninahitra izahay,

Dia hahatakatra ny fitiavan’Andriamanitra,

Fitiavana tapitra ohatra sady lehibe,

Fitiavana midadasika, fitiavana ambony indrindra,

Tsy mety simba sady mahery.

Enga anie ka Ianao no ho lohahevitry ny hiranay

Etỳ an-tany sy any an-danitra.

Claire-Lise de Benoît ; Ruth Demaurex