Alatsinainy 24 Mey 2021

Ireo teny amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana. Lioka 8:15

 

Ny vokatry ny Fanahy : ny fahari-po (5)

Ity tsiron’ny vokatry ny Fanahy atao hoe fahari-po ity no toetra voalohany tanisain’ny 1 Korintiana 13:4, hoe toetran’ny fitiavana : „Ny fitiavana, mahari-po”.

Amin’ny teny fototra, ny teny grika adika hoe „fahari-po” dia tsy ny fahaiza-miandry loatra, fa indrindra ny fiaretana ny zava-manahirana sy olona sarotra iarahana. Tandremo anefa ! Ny mahari-po dia tsy midika hoe minia mikimpy manoloana fampijaliana na hetraketraka.

Ny fahari-po dia tsy fialana an-daharana, fa ilay hery milamina mitahiry fanantenana, satria miandrandra ny tsara. Raha mahandry isika, nefa „mangotrakotraka” ao anaty ao, dia tsy ilay fahari-po avy amin’ny Fanahy Masina izay. Io fahari-po io mantsy dia ahafahana mandresy ny hadisoam-panantenana, hasosorana, hakiviana, manoloana ny toa tsy fahombiazan’ny ezaka atao. Ahafahantsika miha matotra izany, satria mampianatra antsika hamela ny Fanahy hiasa ao anatintsika, amin’ny fotoana ilàna izany sy araka ny tokony ho izy. Ny fahari-po dia mampianatra antsika hamahatra am-patokiana, eo am-piandrasana ny vokatra homeny. Amin’izay izy no „hisy asa tanteraka” (Jakoba 1:4).

Ampaherezin’ny Tenin’Andriamanitra isika „ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana” (Kolosiana 1:11). Ny fahari-po dia tsy malahelo, tsy mavesatra toy ny hoe entana, ary mampirisika antsika tsy hitsahatra mamafy, indraindray ao anaty fijaliana, nefa amin’ny fianteherana mandrakariva amin’ny Tompo, Ilay Tompon’ny vokatra. „Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo” (Jakoba 5:11).