Talata 25 Mey 2021
Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Nisy gazety lehibe frantsay iray mpivoaka isan-kerinandro, nanangona fijoroana ho vavolombelona maromaro tany amina fanjakana sasantsasany tany Etazonia, nataon’olona voaheloka ho faty, talohan’ny namonoana azy ireo. Maro amin’ireo fanambarana ireo no naneho fikomiana, nefa nanohina ahy kosa ny an’i Michaël W.H.
„Voalohany indrindra dia mba tiako hambara amin’ny fianakavian’i Amy (ilay novonoiny) ny fanenenako tanteraka. Nampitondra fahoriana, fangirifiriana, alahelo, fijaliana maro aho, ka tena maha vonton’alahelo ahy izany ankehitriny. Fantatro fa tsy hamerina azy eto anivontsika intsony izany. Aoka anefa ho fantatrareo fa tsy ilay izaho taloha intsony aho izao : efa maty io izaho taloha io. Ary mba tiako holazaina anareo fianakaviako koa fa nahatonga fijaliana be taminareo aho, ka mangataka anareo hamela ny heloko. Izao aho dia lehilahy lehibe mitomany ohatra ny zazakely ; nefa tsy mitomany ho an’ny tenako tsy akory, fa ho an’ireo izay tsy eo intsony sy ireo izay ho faty… tsy mahalala an’Andriamanitra, tsy afaka tamin’ny fahotany.
Telo ambin’ny folo taona aho no tao an-tranomaizina. Nefa tsy nihidy tato anatin’ny tenako aho nandritra izany fotoana rehetra izany, fa olona afaka, satria novain’i Kristy. Na dia tsy maintsy ho faty aza aho noho ny fahadisoako, dia Izy no efa nanefa ho ahy ny saran’izany, nanefa sarany lehibe noho izay rehetra ho azoko naverina aminy !”
Izany no fahafahana sy fiadanana hita misongadina avy amin’ny tenin’i Michaël, minitra vitsy talohan’ny nahafatesany. Mba miaina izany ve ianao, ry mpamaky ? Marina fa tsy mpamono olona ianao, nefa kosa mila ihany koa io Mpamonjiny io, dia Jesosy Kristy.