Alarobia 26 Mey 2021
… ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. 1 Tesaloniana 1:9
Tsaroana ny fihetseham-po nateraky ny nahafatesan’ilay nantsoina hoe „sampin’ny tanora”. Io anarana io moa ankehitriny dia efa fanome mpanao fanatanjahantena na mpanakanto. Marina fa tsy iankohofana tsy akory ireny kalazan’ny tontolo môderina ireny, saingy mahavory vahoaka tsy hita isa manome azy lanja lehibe manokana : izy ireny no mpitondra tenin’ireo indray mihira aminy, mpitondra tenin’ireo olona manana soatoavina na fomba fiaina mety ho tsapa hoe an’ny tena.
Tsy voatery ho hita vatana ao amin’olona iray ny zavatra omentsika lanjany ; ho an’ny hafa izany dia ny harena, na asa aman-draharaha nahomby. Isika ihany koa, raha mifantoka loatra amin’ny tenantsika, dia mety hanjary andriamanitry ny tenantsika.
Nefa Andriamanitra dia manolotra ho antsika zavatra hafa : te ho ivon’ny fiainantsika Izy, mba tsy hahalalantsika ny fahabangana anaty sy ireo fahadisoam-panantenana. Tiany ho sambatra isika, satria Izy no Mpahary antsika. Rehefa nanjary olona Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany mba hihaona amin’ny olona sy hiara-miaina amin’izy ireo, ary naneho ny tenany ho Ilay Andriamanitra fitiavana. Fantany izay ilaintsika mba hananantsika fiainana mirindra sy feno fiadanana anaty, dia ny famelana ny helotsika, sy fiainana misy ny fanatrehany.
Ry kristiana, mihevitra angamba isika fa tsy olana mahazo antsika ny sampy… Nefa dia olona mpino no nanoratan’ny apostoly Jaona hoe : „Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy” (1 Jaona 5:21). Araka izany, na ny zanak’Andriamanitra aza, eo amin’ny fiainany, ary amin’ny fomba tsy tsapany akory angamba, dia mety hanolokolo „sampy”, dia izay rehetra maka ny toerana voalohany, ilay toerana tokony ho an’i Jesosy.