Alakamisy 27 Mey 2021
(Hoy Jesosy :) Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana. Jaona 5:40
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27
Tena nahasaro-po ny olona ny asa fampihorohoroana nampisaona an’i Frantsa tamin’ny taona 2015. Nisy resaka fanadihadiana nitenenan’olona iray hoe : „Leon’ireny fivavahana rehetra ireny izahay !”
Angamba tokony hasiana fanavahana kely izany teny izany. Tsy ny fivavahana rehetra mantsy no manindrahindra ny herisetra. Hisy hilaza angamba hoe vao tsy dia ela akory, na tao amin’ny fivavahana kristiana aza, dia nitrangana fanenjehana anaty. Nefa ny fivavahana kristiana ve no fototr’izany ? Sa ireo olona tsy nahatakatra ny hafatra nomen’i Jesosy Kristy ?
Aza afangaro ny antokom-pivavahana sy ny finoana ! Maro ny antokom-pivavahana milaza fa manaraka ny Baiboly ; nefa Andriamanitra, na ny hafatry ny Baiboly, aza ampitoviana amin’ireny, na amin’ny iray amin’ireny. Fanorenan’olombelona ihany ny ankamaroan’ny antokom-pivavahana ; ary ny Baiboly dia tsy manolotra antokom-pivavahana, fa hafatra mitondra fiadanana, hafatra omen’Andriamanitra ny olona tsirairay.
Tsy maninona raha tsy manaraka antokom-pivavahana ; fa ny mandà izay lazain’Andriamanitra antsika kosa dia misy vokany mampidi-doza. Fiainana no asehon’Andriamanitra, fa tsy fahafatesana. Nilaza Jesosy fa tsy tonga mba hitsara, fa mba hamonjy. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hananantsika ny aina. Ny fitiavany, izay manafaka ny olona manatona Azy, no valin’ny nampijaliana Azy. Mbola atolotra anao mandraka androany io fitiavany io. Ao anatin’ity tontolo feno herisetra sy anjakan’ny fahafatesana ity, Andriamanitra dia tsy mitaona anao mihitsy hiditra ao anatina antokom-pivavahana, fa manolotra ho anao Mpamonjy, Izay hamela ny helokao sy hanome anao ny fiadanany.