Zoma 28 Mey 2021

Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga ; Ianao irery ihany no Andriamanitra. Salamo 86:10

Ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy. Efesiana 3:20, 21

 

Mihoatra lavitra noho izay angatahintsika

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Pasitera eto Cuba aho, nasaina hanatrika kongresy kristiana tany amina firenena iray. Teo am-panomanana ny diako aho dia nanao lisitry ny zavatra tiako hovidina, hoentiko miverina eto Cuba. Ny zavatra telo lehibe indrindra dia Baiboly, ampongakely roa ho an’ny antokompihiranay, ary mikrô efatra, handraisam-peo ho an’ny fiangonana.

Nampahafantarina anay anefa fa tsy nahazo lalana handeha aho. Fahadisoam-panantenana moa ny ahy ! Saingy Andriamanitra no eo amin’ny familiana. Telo andro taorianan’izany dia nisy lehilahy tonga tato amiko. Avy any amin’ilay firenena hanaovana ilay kongresy izy, tonga omalin’io, hanao dia fandraharahana.

„Manana fanomezana vitsivitsy ho anao aho, Andriamatoa pasitera”, hoy izy tamiko. Tsy nifankahalala izahay, ka gaga aho. Hoy izy tamiko : „Andro vitsivitsy izay dia nahafantatra aho fa hanao ity dia fandraharahana ity. Koa nankany amina fivarotana iray aho, mba hividy zavatra maromaro ho amin’izao dia izao. Nisy mpividy iray tao amin’ilay fivarotana, nahare ahy niresaka momba izao diako ho atỳ Cuba izao. Nanatona ahy izy, niteny tamiko hoe :”Misy pasitera iray fantatro any Cuba, mila zavatra maro ho an’ny fiangonany. Mba hekenao ve ny hitsidika azy sy hitondra fanomezana vitsivitsy ho azy ? „Ianao io pasitera io, ary ireto ny fanomezana”. Zendana tanteraka aho. Fanomezana maro no tao, ary anisan’izany, nisy Baiboly, ampongakely vitsivitsy ary mikrô efatra !

Fantatr’Andriamanitra ny toejavatra iainantsika. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy, ary manome izay ilaintsika. Mety tsy ho araka izay nantenaintsika angamba, nefa amina fomba mahatalanjona mandrakariva, manome voninahitra Azy.”

Andrès Noriega (Cuba)