Asabotsy 29 Mey 2021

Tsy nihevitra izy… mba tsy hihaino na hino anatra. Jeremia 17:23

Efa niteny taminao Aho… ; nefa hoy ianao : Izaho tsy hihaino. Jeremia 22:21

Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny (Andriamanitra). Hebreo 12:25

 

Rehefa mampandini-tena antsika Andriamanitra

Mark Twain, mpanao hatsikana amerikana, dia niresaka momba ny Baiboly tamina namany iray, izay niteny taminy hoe : „Ny mahavery hevitra ahy ao amin’ny Baiboly dia izay rehetra tsy takatro”. Namaly azy i Twain hoe : „Mifanohitra amin’izany ny ahy ; izay rehetra takatro, ireo indrindra no manahirana ahy, ao amin’ny Baiboly”.

Marina tokoa fa ny tena mampandini-tena antsika ao amin’ny Baiboly, matetika kokoa, dia izay takatsika tsara, saingy mazàna mifanohitra amin’ny sitrapontsika. Ny mpiara-belona tamin’i Mosesy dia nahatakatra tsara ny lanjan’ny Didy folo, nefa tsy te hiaina araka ireo torolalana avy amin’Andriamanitra ireo.

Etsy andaniny kosa, na mpivavaka tahaka an’i Nikodemosy aza, dia tsy nahatakatra hoe ahoana no hananana fifandraisana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny „fahateraham-baovao”. Hoy Jesosy taminy : „Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:5-7).

Tsy afaka hahatakatra izany ny olona araka ny toetra maha izy azy („ny nofo”), satria manohitra an’Andriamanitra.

Koa nomen’i Jesosy an’i Nikodemosy ny fanalahidy hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy maintsy ateraka indray. Raha mino ny tenin’Andriamanitra (aseho an-tsary amin’ny rano) isika, dia omena antsika izany fiainam-baovao izany, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Tsy misy fomba hafa hidirana eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Nefa te hino izany ve isika, mba hiaina izany ?