Alahady 30 Mey 2021

(Hoy ilay jiolahy nohomboana teo anilan’i Jesosy taminy :) Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42, 43

 

Nijanona teo amin’ny hazofijaliana Jesosy

Tsara vakina : Lioka 23:39-43

Ny Filazantsara araka an’i Lioka dia mitantara fa ny iray tamin’ireo jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy dia niteny taminy hoe : „Tsy Ianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay”. Te handositra ny vokatry ny nataony izy, ka tena santionan’ny zanak’olombelona mihitsy : te ho afaka amin’ny vokatry ny fahotana, amin’ny alalana fahagagana, mba tsy hitsara ny fototry ny zava-manjo azy, dia ny fikomiany amin’Andriamanitra.

Jesosy anefa tsy tonga mba hanafaka ara-batana ireo jiolahy roa ireo eo no ho eo, fa mba hanao zavatra lehibe lavitra noho izany. Nijanona teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanefa ny trosantsika amin’Andriamanitra, hisolo toerana antsika ka hiaritra ny fanamelohana, hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, ary hamafa ny fahadisoan’ireo rehetra miaiky izany aminy sy mino Azy. Nahatakatra izany ilay jiolahy faharoa, ka niaiky fa meloka, sady niaiky fa tsy manan-tsiny Jesosy. Azony ny antoka mahatalanjona hoe voavonjy tanteraka izy : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.” Finoana toy inona moa ny an’io lehilahy io, ary fampiononana toy inona ho an’i Jesosy, tao anatin’ny fotoana nijaliany fatratra !

Rehefa mahatsiaro ireo fihantsiana feno fitaka sy fankahalana natao tamin’i Jesosy isika, dia midera sy mitsaoka ny faharetany lavorary, Izy Ilay Tompontsika, Izay ho afaka nibaiko ny anjely rehetra any an-danitra mba hanafaka Azy amin’ny fahavalony. Aoka ho takatsika fa matoa Izy nijanona teo amin’ny hazofijaliana, dia noho ny fitiavany ireo tiany hovonjena.