Alatsinainy 31 Mey 2021

Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana). Efesiana 5:8, 9

 

Ny vokatry ny Fanahy : ny fahamoram-panahy (6)

Ny tsiro fahadimin’ny vokatry ny Fanahy dia ny fahamoram-panahy. Io toetra tsara io dia tena mifanakaiky amin’ny manaraka, dia ny fahatsaram-po (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fanaovan-tsoa). Ny fahamoram-panahy dia toe-tsaina mitarika hanao asa maneho fahatsaram-po.

Ny hoe mora fanahy aman’olona dia hoe te hanao soa aminy, tsy misy hevitra ambadika. Ny fahamoram-panahy dia mifanohitra amin’izay mety ho fialonana na lolompo, ary tsy misy avonavona na fanambonian-tena. Ny eritreritra misy hamoram-panahy dia manafaka, tsy mangeja ny ankilany, tsy mitsaratsara foana. Ny fahamoram-panahy dia misoritra ihany koa eo amin’ny fomba fiteny : teny mahitsy sy avy amin’ny fo tokoa, teny milaza zavatra tsara. Araka izany, ny fahamoram-panahy dia hita maso eo amin’ny asa atao amin-kalalaham-po ary mifandray amin’ny fahatsaram-po.

Mety hahavoafandrika ny fahamoram-panahy, rehefa manjary fandeferana mitarika hanaiky ny ratsy, na manjary hakanosana, na, angamba ratsy kokoa aza, fampihodinana sain’olona. Ny tena fahamoram-panahy kristiana dia mitandrina mba hamela ny ankilany ao anatin’ny fahafahany. Manaiky azy amin’ny maha hafa azy, mandray azy tsara satria tian’Andriamanitra izy, ka amin’izany dia maneho Ilay Andriamanitra tsy manery hanaiky, fa tonga kosa mba hamonjy antsika.

Raha te hampihatra ny fahamoram-panahy isika, dia tsy maintsy mampiseho amin’ny namantsika fa manan-danja amintsika izy. Ary tokony hotsarovantsika mandrakariva fa vokatry ny Fanahin’Andriamanitra ao am-pontsika ny fahamoram-panahy, fa tsy vokatry ny ezaka ataontsika tsy akory.

„Izay manana maso miantra, hotahina satria anomezany ho an’ny malahelo ny haniny” (Ohabolana 22:9).