Talata 1 Jona 2021
Aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra ; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra. 3 Jaona 11
Tamin’ny volana Jona 2017, nitarika ny lanonam-pahatsiarovana ny namonoana ny mponina tao amin’ny tanàna kelin’i Oradour-sur-Glane tamin’ny taona 1944 ny filoham-pirenena frantsay, no nanambara hoe : „Ny hany mànda miaro amin’ny fahadalana manosika hamono olona dia ny fieritreretantsika”.
Ny fieritreretana dia ahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy. Nahazo izany ny olombelona rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra, ka nihaino an’i Satana niteny taminy hoe : „Amin’izay andro hihinananareo azy (ny voan’ny hazo voarara) dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy” (Genesisy 3:5). Nanaiky hofitahina ny olona, ka nanjary zavaboary tompon’andraikitra amin’ny ataony, mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Fantatsika anefa hoe firifiry moa ny asa ratsy, halatra, vonoana olona atao eto amin’izao tontolo izao. Na heverina ho mahalala ny tsara aza isika, dia mirona hanao ny ratsy. Tsy mandry ny fieritreretantsika, eo anatrehan’ny ratsy ; ary amin’izany izy dia tohitra, saingy tsy manome hery hanakana antsika tsy hanao ny ratsy.
Nanimba ny toetrantsika anaty ny tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra. Tokony hiaiky izany eo anatrehany isika, mba hanomezany antsika fiainam-baovao. Dia mandray izany isika, raha mino an’i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Io fiainam-baovao io no mampahafantatra antsika ny tsara, dia izay ankasitrahin’Andriamanitra. „Hataoko ao an-tsainy ny lalànako, sady hosoratako ao am-pony” (Hebreo 8:10). Ankoatra izany dia manome hery ho an’io fiainam-baovao io ny Fanahin’Andriamanitra (Efesiana 3:16). Amin’izay ny mpino dia afaka misoroka ny ratsy ka manao ny tsara, omban’ny fanampian’Andriamanitra.