Alarobia 2 Jona 2021

Fa efa tonga ny Zanak’olona (Jesosy) hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10

 

Tao ambany korontan-trano rava

Tamina horohorontany nitranga tany Armenia dia nirodana toy ny trano natao tamina karatra filalaovana ny sekoly iray. Noheverina ho tsy nisy olona velona intsony, tamin’izany. Nefa nanomboka nisava tao anatin’ny trano rava ihany ity lehilahy iray. Izy io dia ray-na zazalahy iray tototra tao ambany korontan-trano. Matetika izy no nampanantena ny zanany hoe : „Na inona na inona hitranga, dia ho eo mandrakariva aho ho anao, rehefa mila ahy ianao.”

Tsy nohenoiny ny ray aman-dreny hafa nilaza taminy hoe herim-po very maina ny azy, fa nilofo hatrany izy. Tsy zakany ny nitoetra fotsiny tamin’izao, satria tiany loatra ilay zanany, ka tsy afaka hamoy azy izy ! Rehefa afaka 36 ora mahery niezahana mafy izy, dia nahakisaka takela-drindrina lehibe iray, ary nahare feo maromaro. Nantsoiny mafy ny anaran-janany, ary henony avy hatrany ny valiny hoe : „Izaho ihany, dada a ! Vonjeo izahay !” Fotoana fohy taorianan’izany izy dia tonga teo anilan’ny zanany sy ankizy 13 hafa, efa reraka tanteraka. Tao anaty lavaka iray izy ireo, voaro tamina fomba mahagaga, tao ambanin’ny korontan-trano rava. Voavonjy ihany izy ireo, efa ela niandrasana !

Izany tantara izany dia mampahatsiahy antsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Eo mandrakariva Andriamanitra, ho antsika, ary te hamonjy antsika. Mazava loatra fa tsy tototra ao ambany trano rava isika, saingy ao ambanina vesatra goavana, dia ny fahadisoantsika, izay manasaraka antsika amin’Andriamanitra sy manidy ny lalan’ny lanitra ka tsy ahafahantsika miditra ao. Nanatona antsika Jesosy Kristy Zanany, amin’ny maha Mpanavotra antsika Azy. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, hamonjy antsika, ka izay mino Azy dia mahazo ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay.