Alakamisy 3 Jona 2021
Mahalala anao tokoa Aho. Eksodosy 33:12
Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31
„Ny Filazantsara dia tsy vakina amin’ny mpisolo anarana fahatelo milaza maro (izy ireo), fa amin’ny mpisolo anarana faharoa milaza tokana (ianao)”, hoy ity tonia-na gazety iray, izay tia mampiasa fomba fanoratra mihantsy. Inona no tiany nolazaina tamin’izany ?
Ny Filazantsara dia tsy fitantarana tantara, ary tsy foto-pampianarana ara-pivavahana akory aza, fa vaovao manetriketrika ambaran’Andriamanitra amin’ny olona tsirairay. Manao „ianao” amin’ny olona Izy, rehefa miresaka aminy, ary miteny aminy mivantana sy manokana. Toy inona ny fitandremako izany hafatr’Andriamanitra izany ? Mba mahatsiaro ho voakasika ve aho, rehefa resahin’Andriamanitra momba ny fitiavany ? Izaho ve mba afaka milaza toy ny apostoly Paoly hoe : Ny Zanak’Andriamanitra (olona tena lehibe) efa tia ahy (izay olona tsinontsinona) ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy (Galatiana 2:20) ? Hamonjy ahy, toy ny hoe izaho irery no heveriny, eo anivon’ny mpiara-belona amiko an’arivo tapitrisany. Hamonjy ahy, izay fantany tantara manontolo, tantara tsy mamiratra mihitsy. Hamonjy ahy, izay nanentsin-tadìny tsy nihaino ny feony, angamba efa nandritra ny fotoana elabe.
Eny, ndao hanokatra ny sofintsika, ary indrindra ny fontsika. Ndao hahatsiaro tena ho voakasika. Ndao hamaky ireo andinin-tSoratra Masina faran’izay mahagaga, ohatra, ny Jaona 3:16, ary hampiditra ao ny anarantsika : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very i…, izay mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Ary ndao hamela ny Tenin’Andriamanitra hiasa, ka hahatsapa fa velona sy mahery toy ny sabatra io Teny io (Hebreo 4:12, 13) ; ndao hanaiky hotrobarany.