Zoma 4 Jona 2021

Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tànany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibidia, na ny isan’ny anarany. Apokalypsy 13:16, 17

 

Tandremo, loza !

Mitombo kokoa hatrany ny asa fampihorohoroana, eto amin’ity planeta misy antsika ity. Nefa ahafahana mametra azy ireny ny fitrandrahana amin’ny fomba hentitra ny ambarana karazam-baovao maro : sary azo amin’ny fakan-tsarimihetsika, fanondroana ny toerana misy ny finday iray, fandikana hafatra atao sora-miafina ao amin’ny internet… Manampy izany koa ny pasipaoro vaovao biômetrika, misy „puce” mirakitra ny mombamomba antsika manontolo.

Nisy mpanao gazety iray nanoratra hoe : „Raha mbola manana antoka demôkratika kely ihany isika, dia azo lazaina ho zava-maharary nefa ilaina io fanamarihana olona io ; nefa inona kosa no hitranga rahampitso, raha fitondrana jadona no manapaka ny tany sy ny fanjakana ?”

Ao anatin’izany toejavatra izany dia afaka hampandini-tena antsika ny tenin’Andriamanitra anjarantsika androany, Teny milaza tranga ho tanteraka any aoriana. Azo heverina tokoa mantsy ankehitriny ny hisiana fitondrana jadona tokana maneran-tany, hampiasa ireo antontam-baovao ara-teknôlôjia ireo, mba hampiorenany ny fahefany. Nefa izay mino an’i Jesosy Kristy Mpamonjy dia mahafantatra fa harovany mba tsy hiharan’izany tranga izany. Ndao hihaino tsara ny teniny mampitony antsika hoe :

„Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany izany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany, ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” (Lioka 21:33-36).