Asabotsy 5 Jona 2021

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Filipiana 4:6

Matokia Azy mandrakariva ianareo… ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8

 

Aiza ny finoanareo ?

Tsara vakina : Lioka 8:22-25

Ity tranga ao amin’ny Filazantsara ity, izay matetika antsoina hoe : „Tafiodrivotra teny ambony ranomasina”, dia nampisy aingam-panahy ho ana mpanao hosodoko malaza maro : Jesosy sy ny mpianany dia aseho ao anaty sambo voahilangilan’ny ranomasina manonja mafy. Hita ao Jesosy, miala sasatra sy matory am-pilaminana, fa ny mpianatra kosa mifikitra amin’ny tadin-tsambo, ny endrik’izy ireo feno tebiteby sy tahotra noho ny toejavatra mampihorohoro.

Izany ve tsy sarin’ny fihetsitsika rehefa mandalo fotoan-tsarotra ? Io tranga io dia mampahatsiahy antsika ihany koa fa tsy mba irery ny mpino, na oviana na oviana, indrindra rehefa miatrika fitsapana eo amin’ny fiainana. Tahaka an’i Jesosy teo anilan’ny mpianany nandritra ny fiampitana ny farihy, dia eo koa Izy, miaraka amintsika. Tena akaiky azy ireo Jesosy, nahatsapa ny fahoriany ka niditra an-tsehatra : „Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro” (Lioka 8:24). Natahotra mafy ireo mpianatra, avy eo nitony noho ny Mpampianatra azy ireo niditra an-tsehatra sady teo, ary nandre ny teny hoe : „Aiza ny finoanareo ?”

Ny Tompo ve tsy voatery mametraka matetika izany fanontaniana izany amintsika ? Samy eo am-pelatanan’Ilay Andriamanitra tia antsika, na ireo toejavatra faran’izay kely, na ireo izay lehibe indrindra. Iriny mba tsy hanan-tahotra ireo izay navotany, fa ho tony tsara sy ho resy lahatra amin’ny tsy fiovaovany, na dia eo anivon’ny tafiotran’ny fiainana aza. Ndao hatoky Azy tanteraka, ka hametraka aminy izay rehetra fanahiantsika, satria Izy no miahy antsika (1 Petera 5:7).