Alahady 6 Jona 2021
Tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, … tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao ; … ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Efesiana 2:12, 13
Tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa… ankohonan’Andriamanitra. Efesiana 2:19
Azo antoka fa efa nahatsapa ho tsy nahazoazo aina ianao, tany amina toerana tsy fantatrao : sekoly vaovao, tanàna hafa noho ilay mahazatra anao, na toeram-piasana niova. Ianao no ilay tsy sahala amin’ny rehetra, tsy mahafantatra izay miseho, izany hoe vahiny !
Matetika Jesosy no hita ho vahiny, teto amin’ity tontolo ity. Vao teraka Izy, na dia teraka tany amin’ny firenen’ny ray aman-dreniny aza, dia efa tsy nirina teto an-tany : tsy nisy toerana ho Azy, teto, afa-tsy tany an-tranom-biby. Avy eo, nandositra tany Egypta Izy, nandritra ny fotoana nanjakana mpanjaka lozabe iray ; nony niverina tany amin’ny taniny Izy, dia nolavin’ny mpiray firenena taminy, ary tsy takatry ny fianakaviany ny momba Azy. „Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1:11). „Ny amboahaolo manan-davaka ; ary ny voromanidina manana fialofana ; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany”, hoy Izy momba ny tenany (Matio 8:20).
Ankoatra izany, nanao tsinontsinona Azy sy nandà ny hafatra nentiny ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy, indrindra ireo mpitondra fivavahana. Nitombo izaitsizy ny fankahalan’izy ireo tatỳ aoriana, ka tonga hatramin’ny antsoantson’ny vahoaka niray feo hoe : „Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy !” (Matio 27:23).
Raha irery ianao any amina tany idiranao, na ailiky ny hafa, dia henoy Jesosy, Izay mahatakatra ny fijalianao ary miteny aminao hoe : „Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy” (Apokalypsy 3:20).
Raiso eo amin’ny fiainanao Jesosy, dia ho hitanao hoe toy inona ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra. Ankehitriny, ireo izay mandray ao am-pony an’i Jesosy, ny maha Izy Azy, ary ny asany, dia mandrafitra ny ankohonan’Andriamanitra, ary efa nahazoan’i Jesosy toerana ao an-tranon’ny Ray.