Alatsinainy 7 Jona 2021
Fifaliana amin’ny olona ny manisy soa ; ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. Ohabolana 19:22
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Kolosiana 3:12
Ny tsiro fahenina amin’ny vokatry ny Fanahy dia ny fahatsaram-po (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fanaovan-tsoa). Ny fahatsaram-po dia toy ny sonian’Andriamanitra, antoky ny fanatrehany. „Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra” (Lioka 18:19). Matetika dia matetika rahateo ny Testamenta Taloha dia miresaka ny amin’ny fahatsaram-pon’Andriamanitra. Izao no vavaka nataon’i Davida : „Fa tsara noho ny aina ny famindramponao” (Salamo 63:3) ; aminy dia mavesa-danja lavitra noho ny ainy ny fahatsaram-pon’Andriamanitra. Izy koa dia te haneho fahatsaram-po, te „hanisy soa araka ny fanaon’Andriamanitra” amin’ny zanak’i Jonatana sakaizany (2 Samoela 9:3, nahatonga ny dikateny hoe „fanaovan-tsoa”, tsahivina anaty fononteny etsy am-piandohana), tamin’ny nanasany azy hiara-misakafo aminy isanandro.
Araka izany dia ao amin’Andriamanitra no misy ny loharanon’ny fahatsaram-po, amin’ny heviny feno. Ny fahatsaram-po dia mifanakaiky amin’ny fahasoavana, ary mitaona ny olona mpanota mba hibebaka (Romana 2:4). Arakaraka ny hisitrahantsika ny fahamoram-pon’Andriamanitra no hahafahantsika ihany koa maneho izany, amin’ny fihetsitsika amin’ny manodidina antsika.
Taomina isika mba haneho fahatsaram-po ka tsy hihevi-tena ho ambony, mba ho „fantsona” tsotra fotsiny ikorianan’ny fahatsaram-pon’ny Tompo, fahatsaram-po miasa, manatona ny hafa, manompo azy, ary mamela heloka azy, raha ilaina izany. Raha toa isika manana be kokoa eo amin’ny fiainantsika io vokatra antsoina hoe fahatsaram-po io, dia ho mora mihetsi-po amin’ny hafa, amin’ny toeran-tsarotra misy azy ireo indraindray, ka hanampy azy ireo hitondra izay mavesatra amin’izy ireo.
„Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy”, hoy ny apostoly Paoly (Romana 12:21). Izany no famantarana tsy azo lavina isehoan’ny fahatsaram-po, araka ny maha vokatry ny Fanahy azy, fahatsaram-po mandresy ny lolompo, ny fanaovana tsinontsinona, ny tsy fahombiazana, ka maneho ny fon’Andriamanitra.