Talata 8 Jona 2021

Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:4, 5

 

Antokom-pivavahana sa Mpamonjy ?

Rehefa miresaka an’Andriamanitra aho, dia matetika no valiana resaka antokom-pivavahana. Ny rakibolana dia mamaritra ny teny hoe „fivavahana” ho „fitambarana fombafomba natao hifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra”.

Hay atao ve ny mametra na manidy ao anatina antokom-pivavahana Ilay Andriamanitra tsy misy fetra, Mpahary izao tontolo rehetra izao ? Tsy fanorenan’olombelona avokoa ve ny antokom-pivavahana rehetra eto amin’izao tontolo izao ? Ny fomba fanaony sy ny foto-pinoany dia manome rafitra mampatoky ny mpivavaka ao aminy. Mandraka ankehitriny ny antokom-pivavahana dia mbola fefy mitarika sy manoro ny fitondrantena, mikatsaka ny hitarika ny olona tsirairay hitondra tena tsara. Nefa ve Andriamanitra tsy lehibe lavitra noho izay rehetra mety ho rafitra ara-pivavahana ?

Ny Baiboly dia tsy manolotra antokom-pivavahana. Ny hafatra entin’ny Filazantsara dia tsy mamatotra an’iza na iza amina antokom-pivavahana iray tsy akory, fa mampisy kosa fifandraisana velona sy maha sambatra eo amin’Ilay Andriamanitra tsy misy fetra sy ny tsirairay amintsika.

Ny antokom-pivavahana dia manolotra ho an’ny olona lalana hankanesana any amin’Andriamanitra, amin’ny alalana fitondrantena tsara, fombafombam-pivavahana, ary asa mendrika.

Fa mifanohitra amin’izany kosa, ny Filazantsara dia mampiseho ny lalan’Andriamanitra mankamin’ny olona. Andriamanitra tokoa mantsy dia nanatona antsika, satria isika tsy afaka nankany aminy. Jesosy Kristy dia tonga olona tahaka antsika. Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nanalany ny sakana nataon’ny ota hanasarahana antsika amin’Andriamanitra.

Araka izany, ny Filazantsara —izay teny midika hoe „Vaovao mahafaly”- dia tsy fanambarana antokom-pivavahana tsy akory, fa fanambarana Mpamonjy.

Manana antokom-pivavahana ve ianao ? sa manana Mpamonjy ?