Alarobia 9 Jona 2021

Andriamanitra… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. 1 Timoty 2:3, 4

 

Fahoriana anaty (1)

Taoriana famelabelaran-kevitra iray, dia hoy ity tovolahy tamin’ilay mpandaha-teny nanolotra ny Filazantsara, hoe :

— Angamba hoheverinao fa tsy misy antenaina ny amiko, satria sady tsy mpino aho no mpisalasala.

— Inona moa no andrasanao amiko, raha toa ianao ka tsy mino ny Baiboly, tsy manaiky an’i Jesosy Kristy ho Ilay Zanak’Andriamanitra, ary misalasala momba ny fisian’Andriamanitra ?

— Nandre anao niteny aho izao hariva izao, ary nahatsapa fa misy zavatra inoanao. Izaho dia tsy mino na inona na inona, ka tena ory fatratra. Mba azonao atoro ahy ve hoe ahoana no hataoko, hahatonga ahy hino sy ho sambatra tahaka anao ? Raha afaka manampy ahy haingana ianao, dia izay no ho tsara indrindra. Mpianatra momba ny lalàna aho, nefa mahatsapa ny tenako ho ory indrindra, ka tsy mahavita mianatra intsony. Feno ahiahy sy mikorotan-tsaina aho. Nitaredretra teto an-tanàna aho izao hariva izao, no nahare feon’orga ka niditra mba hankafỳ mozika mahafinaritra ; liana te hahalala aho, ka nijanona hihaino izay holazainao. Zavatra iray loha no nisongadina mazava tamiko : mino zavatra na olona iray ianao, ka maha sambatra anao izany. Mitsiriritra anao aho, ka izany no antony iresahako aminao. Inona no tokony hataoko ? inona no tokony hianarako ?

— Tsy misy afa-tsy ny Baiboly !

— Inona nefa no hilako mamaky azy, raha tsy mino aho fa tenin’Andriamanitra izy ?

Dia nanokatra ny Baiboliny ilay evanjelista, ary namaky hoe : „Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).

(rahampitso ny tohiny)