Alakamisy 10 Jona 2021

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. 1 Jaona 5:13

 

Fahoriana anaty (2)

Nanohy ny resaka ilay kristiana :

— Ny Soratra Masina ihany no manambara ny maha avy amin’Andriamanitra azy sy ny maha Andriamanitra an’i Jesosy Kristy.

— Hamaky ny Baiboly aho. Ary inona koa no tokony mbola hataoko ?

— Mivavaka.

— Nefa izaho tsy mino an’Andriamantra. Nahoana no hivavaka ?

— Tsy sakana izany, saingy tokony hahitsy fo ianao. Andriamanitra dia mamaly izay mitady azy an-kitsimpo.

— Ary mbola misy zavatra hafa tokony hataoko ve ?

— Mangataha amin’Andriamanitra mba hohazavainy anao izay hovakinao. Dia mandehana araka izay fahazavana homeny anao, ary avy eo, manatòna ny Tompo Jesosy, mba hianaranao mahafantatra Azy ho Ilay Mpamonjinao manokana.

— Izay ihany ve ?

— Eny, tsy misy na inona na inona hatao intsony. Ianao ve anefa mampanantena ahy hanaraka ny torohevitro ?

— Hiezaka aho… Tapa-bolana taorianan’izany dia niverina nitantara tamin’ilay evanjelista ilay tovolahy, hoe :

— Taorianan’ny resaka nifanaovantsika iny dia nody aho. Novakiko ireo andalan-tsoratra natoronao ahy. Avy eo aho dia nivavaka tamin’Andriamanitra, tam-pahatsorana nefa niangavy fatratra, mba hasehony ahy mazava raha misy Izy, mba hoporofoiny amiko fa ny Baiboly dia Teniny, ary Jesosy Kristy dia Zanany sy Mpamonjy ny mpanota. Teo am-pamakiana aho, nivavaka, ary nangataka mba hohazavaina, no tena nandray ny fahazavana. Nanjary nazava tamiko ny zavatra rehetra, hany ka namaly ny fanasan’i Jesosy aho, nony farany. Sasatra sy novesaran’entana aho ka nanatona Azy, dia nahita ny fiadanam-po. Fantatro ankehitriny fa tia ahy Izy ary voaisotra ny fahotako noho ny herin’ny rany.