Zoma 11 Jona 2021
Nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano ; dia hoy Jesosy taminy : Omeo Aho hosotroiko… Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. Jaona 4:7, 10
Mora kokoa indraindray, ary indrindra, ahazoana fahafahampo be lavitra, ny manampy olona toy izay ampian’olona. Ny mamonjy ny hafa dia manome lanja ahy kokoa, ary matetika mitondra fahafahampo manokana ho ahy. Mifamadika amin’izany kosa, rehefa ampian’olona aho dia toy ny manankin-tena aminy, na toy ny hoe ambany kokoa noho izy. Koa tsy dia mora mandrakariva ny manaiky hampian’olona !
Nefa dia izany no toerana noraisin’i Jesosy, nangataka rano hosotroina tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana tao Sykara. Izy anefa no Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, ka tsy mila an’iza na iza. Ankoatra izany, fantany ny fiainan-tsarotr’io vehivavy io taloha sy ireo zavatra mampanontany tena azy. Tsy nanambany azy Izy. Naleony nampiditra resaka taminy sy nangataka fanampiana taminy, mba hahazo ny fitokisany. Ary izany fihetsika izany indrindra no hanokatra varavarana ao am-pon’ity vehivavy ity. Gaga aoka izany ilay vehivavy tamin’ny fihetsik’ity olon-tsy fantatra, ka tsy namaly ny fangatahany, fa izy indray no nametra-panontaniana taminy. Dia ho hitany, mandritra ny resaka, fa tena mila an’i Jesosy izy.
Ry kristiana, aza manantena hahatonga ny namantsika hahafantatra an’i Jesosy Kristy, raha manery azy hanaiky ny zavatra azontsika antoka fa marina. Aleo manaraka ny ohatra nomen’Ilay Mpampianatra antsika, mahay manatona ny hafa, ary manaiky hifampizara aminy —am-pahalemem-panahy sy am-panetrentena- izay zavatra ilaintsika. Izany no hahafahantsika manararaotra miresaka momba ny Tompontsika sy ny fahasoavany midadasika.