Asabotsy 12 Jona 2021
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy : Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Levitikosy 19:31
„Fantaro ny hoavinao, tsy misy na inona na inona ahina na maningotsingotra !” Tsy tambo hisaina ny fitaoman’ireo mpanandro sy karaza-mpahita hafa. Ny Baiboly dia mandrisika mba tsy hanatona azy ireny. Andriamanitra irery ihany, Izay masi-mandidy sy mahafantatra ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy, no afaka manambara mialoha izay zavatra hitranga. „Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa ; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory” (Isaia 46:9, 10).
Maro ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Efa tanteraka ny sasany, ny hafa kosa mbola tsy to, nefa ho tanteraka avokoa, amin’ny fotoana fidin’Andriamanitra. Fony tetỳ an-tany Jesosy, dia niteny hoe : „Hatramin’izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy” (Jaona 13:19). Izany dia iray amin’ireo fanambarana maro mampiseho ny maha Andriamanitra Azy. Andriamanitra Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mahalala mialoha ny zavatra rehetra. Efa nambara mialoha elabe ny hahatongavany etỳ an-tany, mba hanatanteraka ireny faminaniana ireny. 700 taona mahery talohan’ny nahatongavany, dia efa nolazain’i Isaia ny hijaliany sy ny hahafatesany eo amin’ny hazofijaliana (jereo Isaia 53:7-10). Efa ho 2000 taona lasa izao no nahatanteraka izany. Satria Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty, dia miandry ny hahatanterahan’ny fampananteny isika : hiverina Izy mba hampiditra ny mpino ho sambatra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, miaraka aminy (Jaona 14:3). Manohana ny finoantsika izany fampanantenana izany. Ireo rehetra nametraka ny fitokiany amin’i Jesosy dia matoky Azy momba ny hoavin’izy ireo.