Alahady 13 Jona 2021

… toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra. Efesiana 5:2

… tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy. Efesiana 5:25

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ho an’iza no nanoloran’i Jesosy ny tenany ?

Ambaran’ireo andinin-tSoratra Masina telo eo ambony ireo, fa Kristy dia nanolotra ny tenany, izany hoe nanolo-tena an-tsitrapo, vatana sy fanahy, ary tonga hatramin’ilay sorona faratampony, dia ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.

„Kristy… nanolotra ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra”. Te hamonjy antsika olona mpanota Andriamanitra, ary Jesosy no nanolotra ny tenany hamonjy antsika. Alohan’ny zavatra rehetra, dia ho an’Andriamanitra no nanolorany ny tenany ho fanatitra, fantany fa sitrapon’Andriamanitra ny hanolorany ny ainy. Hoy Izy, talohan’ny handehanany ho eo amin’ny hazofijaliana : „Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko” (Jaona 14:31).

„… tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. Tian’Andriamanitra ihany koa ny hanome vady malala ho an’ny Zanany. Io vady io dia „ny Fiangonana”, voarafitr’ireo rehetra mino an’i Jesosy, Izay mampiray azy ireo. Io no fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany (Asan’ny Apostoly 20:28). Nanolotra ny tenany Jesosy, noho ny fitiavany ny fiangonana, ary mankamamy azy (Efesiana 5:29).

„Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”. Mahakasika ny fitambaran’ny mpino ny sorona nataon’i Jesosy, satria mahakasika manokana ny tsirairay amin’izy ireo. Raha mino Azy aho, dia afaka ho talanjona, miteny hoe : Ny Zanak’Andriamanitra, nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Ny fahotako dia mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra. Tsy maintsy nalamina ny momba izany, ho ahy, raha tsy izany aho dia very ! Nataony izany, satria tia ahy Izy !

Fitiavana mahatalanjona toy inona anie izany e, mihoatra noho ny fahalalana rehetra ! (Efesiana 3:19).