Alatsinainy 14 Jona 2021
Matokia an’i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Ary miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. Salamo 37:3, 4
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy ; fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy ? Ohabolana 20:6
Ny tsiro fahafiton’ny vokatry ny Fanahy dia ny toetra mahatoky (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fahamarinana). Imbetsaka, ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra no lazaina hoe mahatoky (1 Korintiana 1:9, ohatra), izany hoe tsy misy fitaka, mitana ny teny nomeny, ary manatanteraka izay nolazainy. Koa afaka matoky Azy sy miankina amin’ny Teniny isika, ary toa Azy, dia tsy mivadika amin’ny fampanantenana nomena na ny teny natao, mahatoky eo amin’ny fifandraisana, ary mahatoky amin’ny fitantanana izay rehetra ankinin’Andriamanitra amintsika (1 Korintiana 4:2).
Ny toetra mahatoky dia miaraka mandrakariva amin’ny finoana, sy amin’ny fatokiana an’Andriamanitra, satria isika tsy manana hery ao anatintsika. Ny teny adika hoe „toetra mahatoky” ao amin’io andinin-tSoratra Masina io aza moa dia mifono ireo hevitra roa ireo (toetra mahatoky sy finoana). Satria Andriamanitra mahatoky, dia izany no ahafahantsika matoky Azy, mino Azy ; ary io fatokiana io no manome antsika hery hananana toetra mahatoky.
Nefa mety ho tsy toetra mahatoky akory ilay ananantsika. Satria kristiana isika, dia tokony hanontany tena hoe vokatry ny Fanahy ve ilay heverintsika ho toetra mahatoky, sa fifikirana tsotra fotsiny amin’ny fanabeazana noraisintsika, na amina fomban-drazana, fiarahamonina manindry antsika, fahatahorana ny hafa, na koa aza, indraindray, rohim-pisakaizana ratsy ?
Amin’i Jesosy tokoa no tokony hiantefan’ny toetra mahatoky. Midika izany fa matoky tanteraka ny fitiavany isika. Ny vokatry ny toetra mahatoky dia miseho amina fieritreretana milamina, loharano-na fiadanana sy fitoniana, miseho koa amina fijoroana ho vavolombelona, vokatry ny Fanahy, ahitana ny fiombonantsika amin’ny Mpamonjy.