Talata 15 Jona 2021

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohaina. Matio 7:7, 8

 

Onjam-pifandraisana amin’Andriamanitra

Mifaninana ny mpandraharaha eran’izao tontolo izao ao amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra, mba hametraka rafitra ahafahana mampiasa ny internet. Tsy vitan’ny hoe faritra maro no mbola tsy misy internet, fa ilaina ampitomboina ihany koa ny hafainganam-pandehan’ny zavatra ampitaina, ny fikorianany, ny fitehirizana azy, mba hampilamina ny serasera. Amin’izay, miha fohy kokoa hatrany ny fotoana ampitana vaovao „hiserantsika”. Fivoarana ara-teknolojia goavam-be no efa vita tato ho ato !

Misy anefa lalan-tserasera iray zara raha ampiasaintsika rehetra : tsy voafetra ny onjam-pifandraisana ao aminy, maimaimpoana ny sarany, azo antoka fa mandray hafatra 24 ora isanandro sy 7 andro isan-kerinandro Ilay mpandray izany. Iza moa io mpandray hafatra io ? Andriamanitra tenany mihitsy ! Mihaino antsika Izy : „Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy” (1 Jaona 5:14). Ary fantatsika fa ny sitrapony, voalohany indrindra, dia ny haha voavonjy ny olona rehetra (1 Timoty 2:4).

Tsara kokoa noho izany aza, raha fantatsika ho Raintsika Andriamanitra, io lalan-tserasera io dia ahafahantsika mahita valin’ireo fanontaniana fototra mipetraka : fahasambarana, fahamarinana, ary koa valin’ireo fanahiana sy zava-manahirana antsika andavanandro.

Tokony hiresaka aminy aloha isika, miaiky ny tsy fahamarinantsika, ny fahotantsika, ary manaiky tsotra fotsiny fa mila an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ho Mpamonjy. Rehefa mahatsapa izany isika, tena mahatsapa, dia afaka mampiasa tsy tapaka ny „fifampitohizana” amin’Andriamanitra, afaka mangataka bebe kokoa hatrany ireo loharanon-kery tsy mety ritra avy aminy.