Alarobia 16 Jona 2021

Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Isaia 55:6

 

Tsy mila an’Andriamanitra ve ianao ?

„Na dia nanaraka ireo dingana ara-pivavahana mahazatra aza aho : batisa, kômonio…, dia tsy nahatsapa ho mila mitady an’Andriamanitra. Rehefa tojo ilay tovovavy nanjary vadiko aho, dia niresahany momba an’Andriamanitra sy ny finoana kristiana. Naniry ny hiaraka aminy betsaka indrindra araka izay azo atao aho, ka nanaraka azy tany amin’ny fanompoam-pivavahana. Nandritra ireo herinandro nifandimby, dia voakasiky ny teny reko aho, ary taitra aza, niresaka matetika momba izany tamin’ny fianakaviany. Saingy tsy nihoatra ny alahady maraina mihitsy ny fiainako ara-panahy. Arakaraka ny nandehanan’ny fotoana, dia nitombo ny faniriako hahafantatra ny finoana kristiana. Dia nisy kristiana iray mpiara-miasa, nataon’Andriamanitra nifanena tamiko. Ankehitriny izahay dia mifandray mihoatra lavitra noho ny mpiara-miasa tsotra ; nanjary tena rahalahy mihitsy izy, nanampy ahy hitombo ara-panahy. Efa telo taona eo ho eo aho izao no nahatsapa ny maha tena misy an’Andriamanitra, ary nanaiky an’i Jesosy ho Ilay Mpamonjy nilaiko. Fantatro ankehitriny fa eo anilako isanandro Izy, na faly aho na ory. Mora kokoa aoka izany ny fiainana, rehefa manana fanantenana ny fiainana mandrakizay.”

Ludovic

Ry mpamaky namana, angamba ianao toy ity olona nijoro ho vavolombelona momba ny fizorany nanatona an’Andriamanitra ity, isan’ireo izay tsy mahatsapa ho mila mahafantatra an’Andriamanitra. Fantatrao ve fa mitady anao Andriamanitra ? Tia ny olona rehetra Izy ary „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4).