Alakamisy 17 Jona 2021
Ny tànanao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao… Notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ny vovoka indray Ianao. Joba 10:8, 9
Jesosy Kristy Tompo… hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Filipiana 3:20, 21
Hoy ny mpitondra teny-na fikambanana iray miaro ny zon’ny olona ho faty ao anaty fahamendrehana, mamaly io fanontaniana io : „Ahy, ary ahy irery ihany. Tsy ana fiangonana iray, na ana antoko pôlitika iray, na an’ny tontolon’ny fitsaboana. Olom-pirenena afaka aho nanomboka tamin’ny nahaterahako, ary indrindra tamin’ny nahatonga taona ahy. Tsy maintsy mijanona ho toy izany aho, mandra-pahafatiko, ary tsy ekeko ny faneriterena ahy, na avy amina mpitsabo, na avy amin’ny fianakaviako, na avy amin’ny mpandova ahy”.
Mazava izany fanambarana izany : tsy misy tokoa, na iza na iza, manana zo amin’ny aina na vatan’olona hafa. Saingy misy tsininy io fanambarana io, satria tsy miraharaha an’Andriamanitra ! Raha tsy nisy Andriamanitra, dia rariny —ary mahavonjy aza- ny te hitoetra ho mpifehy ny lahatry ny tena…
Nefa ny mpino dia mahafantatra fa noarìn’Andriamanitra, Izay nahalala azy talohan’ny naha torontoronina azy. Ary Andriamanitra ihany koa no manapaka ny andro hahafatesany : „Jehovah no mahafaty sy mahavelona ; Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana” (1 Samoela 2:6).
Noho izany, amiko, izay mino an’i Jesosy sy mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra, dia tsy mahazo manapaka momba ny fiainako sy ny fahafatesako ny hafa ; nefa izaho koa, tsy mahazo manapaka momba izany. Avelako ho Andriamanitra, Izay hendry lavitra noho izaho ary tia ahy, no hikarakara sy hiandraikitra ny momba izany. Azoko antoka fa indray andro any dia hampitoviana amin’ny vatan’Ilay Mpamonjiko efa ao amin’ny voninahitra ity vatana marefo aoka izany misy ahy ity. Ary eo am-piandrasana izany, dia tsaroako fa tsy ahy intsony ny tenako, fa an’i Kristy, Izay nanefa sarany lafo —dia ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana- mba hahazoany ahy. Koa miezaka aho hanome voninahitra Azy, amin’ny fitondrantenako (1 Korintiana 6:19, 20).