Zoma 18 Jona 2021

Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko ; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Salamo 39:4

 

Aina marefo

Tery tao anelanelana kamiao roa ity lehilahy iray, nefa tafavoaka tsy naninon-tsy naninona tamin’izany lozam-piarakodia izany. Taitra fatratra izy noho ilay loza namely mafy sady tampoka, ka nilaza hoe : „Saika maty tsy nanampo izany akory aho”. Isanandro ny haino aman-jery dia mitatitra amintsika toejavatra tahatahaka izany, nefa mampivarahontsana. Olona maro no mamoy tampoka ny ainy, maty eo no ho eo, tsy nahatsapa akory ny nahazo azy.

Ny Baiboly dia mampahatsiahy antsika fa marefo ny olombelona. „Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy, ka jinjaina ; ary mihelina tahaka ny aloka izy, ka tsy mitoetra” (Joba 14:2). Noho izany dia taomin’ny Baiboly isika ho vonona hihaona amin’Andriamanitra (Amosa 4:12). Mandritra ny fahavelomantsika eto an-tany isika no tokony hihevitra ny fifandraisantsika aminy. Tara loatra, raha aorianan’izay. „Ny hazo dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany” (Mpitoriteny 11:3). Ny fahafatesana dia mametraka antsika eo amina toerana tsy hay ovaina intsony. Hoentiny isika, na ho lavitra mandrakizay an’Andriamanitra, raha tsy nivonona hihaona aminy, na ho any am-paradisa miaraka amin’i Jesosy, raha nino Azy.

Vonona ve ianao ? Lehibe loatra izany fanontaniana izany, ka tsy tokony havela eny anjorom-bala. Anio Andriamanitra dia te hampanararaotra anao ny fahasoavany ; mety ho diso aoriana loatra, rehefa avy eo.

„Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).