Asabotsy 19 Jona 2021

… ny sasany nampijalijalina… ; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa ; notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny… ; efa lao, ory, fadiranovana (nefa izao tontolo izao tsy mendrika ho nitoerany akory). Hebreo 11:35-38

 

Ny fahafatesan’i Jaona Mpanao batisa

Tsara vakina : Marka 6:14-29

Jaona Mpanao batisa, ilay mpialoha lalana an’i Jesosy, dia sahy nanome tsiny an’i Heroda mpanjaka, izay nisara-bady mba hanambady an’i Herodiasy zaobaviny. Koa nampidirin’i Heroda am-ponja io vavolombelona manelingelina azy io, mba hanilihany azy. Tany an-tranomaizina izany i Jaona tamin’ny fotoana nankalazan’i Heroda ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany. Nandihy teo anatrehan’ny olona rehetra ny zanakavavin’i Herodiasy, ary tena nahafinaritra an’i Heroda, hany ka nampanantenainy homena izay zavatra rehetra tiany. Araka ny torohevitry ny reniny, dia nangatahin’ilay zazavavy hoentina eo ambony lovia ny lohan’i Jaona. Nalahelo tamin’izany i Heroda, saingy feno hambo loatra sady kely saina, ka tsy sahy nanatsoaka ny teniny, ary naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona. Koa tamina andro fety iray, noho ny zazavavy iray mahay mandihy, sy ny fialonana vehivavy iray, ary ny hambo-na mpanjaka iray taitaitra, dia notapahina ny lohan’ilay lehibe indrindra amin’ny mpaminany (Matio 11:11). Ary navelan’Andriamanitra hitranga izany…

Tsy niverimberina imbetsaka nandritra ny taonjato nifandimby ve ny tantaran’ny fahafatesana mampihoron-koditra nanjo an’i Jaona Mpanao batisa ? Kristiana firifiry moa no novonoina tamin’ny fomba tsy hay lazaina, mba hanomezana fahafahampo ny hambo na haitraitran’ny manam-pahefana sasany eto amin’ity tontolo ity ? Tsy mendrika sady maharikoriko ny fahafatesana toy izany, nefa kosa amin’Andriamanitra dia manana lanja tsy hain’izao tontolo izao takarina : „Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina” (Salamo 116:15).

Tsy mendrika ho nitoeran’ireny maritioran’ny finoana rehetra ireny izao tontolo izao, hoy ny epistily ho an’ny Hebreo, fa Andriamanitra kosa dia tsy mba menatra hatao hoe Andriamaniny (Hebreo 11:38, 16).